Hijery ny anatiny

Vonona hanampy ny mpiara-manompo avy any Ukraine foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Polonina. Misy, ohatra, miandry eny amin’ny sisin-tany, na manomana an’ireo baoritra misy ny zavatra tena ilain’ny mpiara-manompo

7 APRILY 2022
POLONINA

Malala-tanana Amin’ireo Mila Fanampiana Izy Ireo

Rahalahy sy Anabavy “Tia Mandray vahiny”

Malala-tanana Amin’ireo Mila Fanampiana Izy Ireo

Barbara Osmyk-Urban miaraka amin’ny zanany, Jakub sy Nina

Mitaiza irery ny zanany mianadahy, Jakub sy Nina, ny Ranabavy Barbara Osmyk-Urban. Mipetraka any Rzeszów, any Polonina ry zareo. Folo taona i Jakub, ary 8 taona i Nina. Manararaotra ny fotoana anaovan-dry zareo Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro i Barbara, mba hampianarana azy mianadahy ho tia mandray vahiny sy hangoraka. Nampihatra an’izay nianarany izy ireo ka efa ho 20 mahery ny rahalahy sy anabavy nampiantranoiny, hatramin’ny nisian’ny ady tany Ukraine tamin’ny 24 Febroary 2022.

Rotidrotiky ny ady i Ukraine, dia mitsoaka any amin’ny faritra tsy mampidi-doza kokoa ny rahalahy sy anabavintsika. Mandray tsara azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah any Polonina sy any an-tany hafa, ka ny sasany mampiantrano ary ny sasany manolo-tena hanampy amin’ny fomba hafa. Hatreto dia Vavolombelon’i Jehovah 11 000 fara fahakeliny no nitsoaka an’i Ukraine mba ho any Polonina. Tsy mahazo miala an’i Ukraine anefa ny lehilahy eo anelanelan’ny 18 sy 60 taona, mandritra ny ady. Izay lehilahy manan-janaka tsy ampy taona anankitelo na mihoatra ihany no mahazo mandeha.

Izao no nolazain’i Barbara: “Fianakavianay ireo mpitsoa-ponenana avy any Ukraine ireo.” Tia ny rahalahy sy anabavy hoatr’izany koa i Jakub sy Nina, zanany. Navelan’izy mianadahy hampiasain’ny mpiara-manompo, ohatra, ny efitrano fatoriany. Ary na dia tsy nifankahazo fiteny aza izy ireo, dia nifampitsiky sy nifamihina ary niara-nitomany. Rehefa lasa ireo mpitsoa-ponenana, dia niteny tamin’ny mamany mihitsy i Jakub hoe lasa nangina be tao an-trano. Nanontany koa izy raha mbola afaka nampiantrano mpiara-manompo hafa ry zareo.

Łukasz Cholewiński sy Rafał Jankowski

Manolo-tena manatitra fanampiana any Ukraine ny Rahalahy Łukasz Cholewiński sy Rafał Jankowski. Notantarain’izy ireo hoe misy vehivavy sy ankizy maro be mitomany eo amin’ny sisin-tany. Miandry eo izy ireo mandra-pahitany toerana tsy mampidi-doza kokoa. Izao no nolazain’i Łukasz: “Mahavariana anefa hoe rehefa mihaona amin’ireo rahalahy sy anabavintsika izahay, dia olona falifaly no hitanay.”

Adiny efatra eo ho eo no anaovana an’ilay dia mankany Ukraine mandroso sy miverina. Rehefa tonga any Ukraine ny fanampiana, dia misy rahalahy mizara an’izany manerana an’ilay firenena. Na dia mampidi-doza aza ny mandeha any Ukraine, dia betsaka ny rahalahy sy anabavy manolo-tena hanao an’ilay dia. Hozy Rafał hoe: “Tena tombontsoa be ilay manome tanana mba hanampy.”

Nampiantrano mpiara-manompo avy any Ukraine koa ny Ranabavy Elżbieta Ustrzycka. Mipetraka any Rzeszów izy. Izao no nolazainy: “Nanohina ny foko ny nahita ny anti-panahy tao amin’ny fiangonanay nitondra an’ireo fianakaviana avy any Ukraine ho any aminay, sady nitrotro an’ireo ankizy matory. Ny andro amin’io amin’ny 12 alina. Tsy ho afaka ato an-tsaiko mihitsy izany sary izany.”

Bartłomiej sy Estera Figura

Anisan’ireo anti-panahy miasa mafy koa ny Rahalahy Bartłomiej Figura. Estera no anaran’ny vadiny. Mankany amina sisin-tany na gara izy mivady, dia maka ny mpiara-manompo ary manatitra azy ireo any amin’ny toerana tsy mampidi-doza. Indraindray avelan-dry zareo mijanona ao an-tranon’izy ireo ny mpiara-manompo, fa izy ireo mitady toeran-kafa hipetrahana. Manome fanampiana ara-bola koa izy mivady arakaraka ny fahafahany.

“Fianakaviana iray ihany isika” hozy i Bartłomiej. “Mahatsapa ho akaiky an’ireo rahalahy sy anabavy izahay. Matetika izahay no mahita hoe mampiasa anay i Jehovah mba hanomezana izay zavatra tena ilain’ny mpiara-manompo.”

Hatreto dia 23 000 fara fahakeliny ny isan’ny baoritra nomanin’ireo rahalahy poloney ho an’ny mpiara-manompo iokrenianina. Misy sakafo sy zavatra hafa tena ilaina ao anatin’ilay baoritra.

Ankizy poloney sy ny ray aman-dreniny, mampiasa ny JW Language sy ny JW Library mba hanaovana karta amin’ny fiteny iokrenianina. Ampidirina ao anatin’ny baoritra misy fanampiana koa ireny karta ireny

Matoky isika fa hikarakara foana an’ireo rahalahy sy anabavy iokrenianina i Jehovah. Mampiasa ny rahalahy sy anabavy malala-tanana izy mba hanaovana an’izany.​—Ohabolana 11:24; Romanina 12:13.