15 AOGOSITRA 2019
POLONINA
Varsovie, Polonina: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 9-11 Aogositra 2019
Toerana: Kianja Monisipalin’ny Legia Varsovie sy Torwar Hall, any Varsovie, Polonina
Fiteny: Anglisy, poloney
Tampon’isan’ny mpanatrika: 32069
Tontalin’ny natao batisa: 190
Solontena avy any ivelany: 6892
Sampana nasaina: Ekoatera, Eoropa Afovoany, Etazonia, Failandy, Frantsa, Géorgie, Hongria, Japon, Korea, Moldavia, Romania, Silia, Ukraine
Fitantarana: Izao no nosoratan’Atoa Kamil Kaźmierkiewicz, tompon’andraikitry ny Four Points by Sheraton Warsaw Mokotów (hotely iray nipetrahan’ny solontena avy any ivelany): “Mora ifandraisana be ianareo. Satrinay raha mba tsara fanahy sy falifaly hoatr’anareo daholo ny vahininay! Hita mihitsy hoe mifankatia sy tena miray saina ianareo. ... Mampiaiky ahy ny fomba nikarakaranareo an’iny fotoan-dehibe iny.”
Izao koa no nolazain’Atoa Kamil Lubański, tompon’ny kompaniam-pitaterana KL Team: “Hatramin’ny voalohany mihitsy dia efa tsapako hoe hahafinaritra ny hiara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Milamina tsara izy ireo sady efa matihanina. Nipetrapetraka tsara daholo ny zava-drehetra tamin’iny fotoan-dehibe iny. Efa niara-niasa tamin’ny fikambanana malaza sy tamin’ny fanjakana izahay, na teto Polonina na tany amin’ny firenena hafa atỳ Eoropa. Vitsy anefa ny fikambanana tena manomana tsara sy milamina tsara hoatran’ny anareo. Raha fintinina dia zavatra tsara daholo no lazain’ny mpamilinay sy ny mpiasa hafa momba anareo Vavolombelon’i Jehovah. Enga anie ka mbola hiara-miasa isika any aoriana any!”
Raisina tsara ny solontena avy any ivelany tonga eo amin’ny seranam-piaramanidina
Mpanatrika tonga eo amin’ilay toerana anaovana fivoriambe, ny zoma maraina
Ny Kianja Monisipalin’ny Legia Varsovie, iray amin’ireo toerana nanaovana fivoriambe, tazanina avy eny ambony
Manao ny lahateny famaranana zoma ny Rahalahy Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana
Olona telo atao batisa, ny asabotsy
Rahalahy sy anabavy manaraka tsara ny fandaharana
Maka sary eo ivelan’ilay kianja ny vahiny, miaraka amin’ny akanjo mampiavaka ny taniny
Mihira miaraka amin’ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana avy any ivelany, ny alahady
Ankizivavy maromaro mihira ho an’ny solontena avy any ivelany, mandritra ny korana takariva
Rahalahy sy anabavy manao dihy mampiavaka an’i Polonina, mandritra ny korana takariva