15 JANOARY 2020
PORTO RICO
Horohoron-tany Lehibe Tany Porto Rico
Nisy horohoron-tany mirefy 6,4 amin’ny maridrefy Richter namely an’i Porto Rico, tamin’ny 7 Janoary 2020. Nisy horohoron-tany kely an-jatony taorian’izay. Nisy horohoron-tany mirefy 5,9 koa ny marainan’ny 11 Janoary.
Tapaka ny jiro any amin’ny faritra maro ary be dia be no tsy mipetraka ao an-tranony. Nilaza ny sampan’i Etazonia fa tsy nisy maty na naratra ny mpiara-manompo amintsika any. Ny 248 amin’izy ireo kosa no tsy maintsy nifindra toerana. Trano 8 nipetrahan’ny mpiara-manompo koa no rava, 70 no simba, ary Efitrano Fanjakana 10 no simba. Mikarakara an’izay ilain’ny tra-boina sy mampahery azy ireo ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky sy ny mpiandraikitra ny faritra.
Mbola manohy manompo an’i Jehovah foana ny mpiara-manompo amintsika any na dia sarotra aza ny fiainany. Hoy ny Rahalahy Robert Hendriks, ao amin’ny Biraon’ny Filazam-baovao any amin’ny biraon’ny sampan’i Etazonia: “Tsy fahita any Porto Rico ny horohoron-tany ka lasa mitebiteby be ny rahalahy sy anabavy. Mampahery anefa ny mahita hoe tsy kivy izy ireo. Na tsy misy jiro sy rano aza, dia mivory sy manompo foana izy ireo raha mbola azony atao. Miezaka mafy ny anti-panahy mba hitsidihana sy hampaherezana ary hanampiana ny mpitory.”
Mampahery antsika ny mahita hoe sarobidy amin’ireo mpiara-manompo amintsika tratran’ny loza ireo ny fifandraisany amin’i Jehovah. Enga anie ka homen’i Jehovah fiadanan-tsaina foana izy ireo!—Salamo 119:165.