Hijery ny anatiny

5 OKTOBRA 2022
PORTOGALY

Nivoaka Tamin’ny Teny Kabuverdianu ny Bokin’i Matio

Nivoaka Tamin’ny Teny Kabuverdianu ny Bokin’i Matio

Nivoaka tamin’ny 25 Septambra 2022 Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio tamin’ny teny kabuverdianu, ka ny Rahalahy Mário Pinto de Oliveira, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Portogaly, no namoaka azy tamin’ny endriny elektronika. Efa noraisina video mialoha ilay fandaharana, ka nalefa tao amin’ny sampan’i Portogaly ao Lisbonne. Nanaraka an’ilay izy mivantana, tamin’ny alalan’ny Internet, avy eo ny mpanatrika 3 812, anisan’izany izay nijery an’ilay izy tany amin’ny Efitrano Fanjakana tao Cap-Vert sy Portogaly.

Fiteny kreôla avy amin’ny fiteny portogey ihany ny kabuverdianu. Io no fiteny fampiasan’ny olona mipetraka ao Cap-Vert. Ny sampan’i Portogaly no miandraikitra ny asa fitoriana ao Cap-Vert.

Ny Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana Kabuverdianu any Praia, Santiago, Cap-Vert

Hozy ny mpandika teny iray momba an’io Baiboly vao nivoaka io: “Efa nisy boky avy ao amin’ny Baiboly voadika tamin’ny teny kabuverdianu ihany teo aloha, saingy tsy mora ny mahazo iray amin’ireny. Rehefa mahazo an’ity Baiboly vaovao ity mihitsy àry ny ankamaroan’ny olona miteny kabuverdianu vao hoe hamaky voalohany ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny.”

Hoy koa ny mpandika teny hafa: “Mora vakina ity Baiboly ity sady mora azo, ary teny fampiasa andavanandro no ao aminy. Tena fanomezana tsara be avy amin’i Jehovah mihitsy izy ity, ary tena hanampy amin’ny asa fitoriana. Tsy ho lany fotoana hanazava teny intsony izao izahay, fa mba ho afaka hifantoka amin’ny hoe ahoana no hanohinana ny fon’ny olona.”

Hita amin’ity bokin’i Matio vao nivoaka tamin’ny teny kabuverdianu ity hoe tena tsy manavakavaka tokoa Andriamanitra, fa tiany hahazo ny Teniny daholo izay mitady azy.​—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.