Hijery ny anatiny

Hoatrahoatran’izao ireo birao vaovao any Lubumbashi, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, rehefa vita

21 JANOARY 2022
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Fanorenana Betela Vaovao any Amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo

Fanorenana Betela Vaovao any Amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo

Mandroso ilay asa fanorenana Betela atao any Lubumbashi any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Any indray no hisy ny biraon’ny sampana rehefa vita io fanorenana io. Hisy betelita 260 eo ho eo no eritreretina hifindra any amin’io toerana io any amin’ny Mey 2022 any. Betelita 131 indray no hijanona any amin’ilay sampana amin’izao fotoana izao, izay any Kinshasa. a Misy fanorenana trano fonenana sy birao fanampiny koa efa natomboka any amin’ilay sampana any Kinshasa. Betelita 48 eo ho eo no eritreretina hipetraka any amin’ireo trano vaovao ireo, aorian’ny Janoary 2024. Natao hikarakarana ny asa fitoriana sy ny mpitory any Congo ireo trano vao aorina ireo.

Mandroso ny tetikasa fanorenana ny iray amin’ireo trano telo anaovana birao

Fampianarana Baiboly 250 000 mahery no notarihin’ny mpiara-manompo amintsika any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo tamin’ny taom-panompoana 2021. Iray tapitrisa mahery no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Misy Betelita 394 izao ao amin’ny biraon’ny sampana any Kinshasa.

Tsy afaka nitarina ilay biraon’ny sampana any Kinshasa, dia izany no nahatonga ny rahalahy any nitady toerana tany amin’ny tanàna hafa. Nahita toerana nety tsara izy ireo tany Lubumbashi. Malalaka tsara azo anamboarana biraon’ny sampana vaovao ilay toerana, sady mbola azo anorenana trano hafa any aoriana any raha mbola tiana hitarina.

Ankavia: Betelita efa ho 300 no hifindra ao amin’ireo trano fonenana vaovao any Lubumbashi tsy ho ela. Ankavanana: Hoatrahoatran’izao ilay toerana rehefa vita ny fanorenana

Any amin’ny 2 300 kilaometatra miala an’i Kinshasa no misy an’ilay toerana any Lubumbashi. Mirefy 12 hektara izy io ary misy trano fonenana, birao, toerana fanatobiana entana, ary toerana fanaovana zavatra samihafa, ohatra hoe efitra fisakafoana, ary toerana fanaovana fialam-boly.

Nanomboka tamin’ny Novambra 2020 ilay fanorenana, nefa be dia be ny olana nitranga noho ilay valanaretina COVID-19.

Izao no nolazain’ny Rahalahy Robert Elongo, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Congo (Kinshasa): “Nihidy ny sisin-tany dia nanahirana ny nahazo an’ireo fitaovana fanorenana nilaina. Vao mainka àry nitarazoka ilay tetikasa.”

Nilaza anefa ny Rahalahy Elongo avy eo hoe: “Tao anatin’ny herintaona fotsiny dia vita ny 40 isan-jaton’ny tapany voalohany amin’ilay asa.”

Niharihary hoe mitahy an’ilay asa fanorenana i Jehovah. Mitombo indray ny fananan’i Kristy eto an-tany. (Matio 24:47) Mivavaka isika mba ho fitoriana vita ho azy ho an’ny olona eo amin’ny manodidina ireo trano vaovao ireo, ary hitondra voninahitra ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra.

a Ny Sampan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (Kinshasa) no miandraikitra ny asa fitoriana any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy any amin’ny Repoblikan’i Congo.