Hijery ny anatiny

Sarintany ahitana an’i Kivu Avaratra sy Ituri, faritra be olona tratran’ny Ebola indrindra. Ankizivavikely manasa tanana ao amin’ilay toerana fanaovana fivoriambe ao Beni.

2 MEY 2019
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Mihabetsaka Foana ny Matin’ny Ebola any Amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo

Mihabetsaka Foana ny Matin’ny Ebola any Amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo

Nanomboka tamin’ny Aogositra 2018 ny ady an-trano tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Tamin’izay koa no nanomboka nihanaka ny Ebola. Olona 1088 mahery no voalaza hoe tratran’io aretina io ary 665 no maty, any Kivu Avaratra sy Ituri. Mampalahelo fa tratran’io aretina io koa ny mpiara-manompo amintsika. Milaza ny sampan’i Congo (Kinshasa) hoe olon-dehibe folo sy ankizy roa no maty, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rahalahy iray koa no narary fa avy eo sitrana.

Navelan’ny Komitin’ny Mpandrindra hanomana lahateny sy video manokana ny sampan’i Congo (Kinshasa) mba hampianarana ny mpiara-manompo hisoroka an’ilay aretina. Misy torohevitra tsara ao amin’ilay video, ohatra hoe atao izay hahafahan’ny mpivory manasa tanana. Efa mampihatra an’izany izao ny fiangonana rehetra. Nampihena ny fiparitahan’ilay aretina ireny torohevitra ireny. Nandefa taratasy tany amin’ny biraon’ny sampana ny olona roa mpiasan’ny fahasalamana mba hidera sy hisaotra ny Vavolombelon’i Jehovah, satria modely izy ireo sady nahay niara-niasa, nandritra an’ilay valan’aretina.—Matio 5:16.

Tsy nahazo nivoaka ny tranony sady tsy azo notsidihina nandritra ny herinandro maromaro ny rahalahy tany amin’ny tanàna maro. Nasain’ny sampana nahemotra koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tokony hataon’ny faritra 12, mba hampihena ny fiparitahan’ilay aretina. Nanao fandaharana ny sampana mba hahafahan’ny fiangonana hijery videon’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra ao amin’ny Efitrano Fanjakana, amin’izay dia hahazo sakafo ara-panahy ihany ny rahalahy sy anabavy.

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo isika. Mampahery antsika ny fampanantenan’ny Baiboly hoe tsy hisy aretina intsony.—Isaia 33:24.