Hijery ny anatiny

3 JONA 2021
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Navoaka Tamin’ny Teny Alur any Congo Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Alur any Congo Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny teny alur Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny 30 Mey 2021. Navoakan’ny Rahalahy Hugues Kabitshwa, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Congo (Kinshasa), ilay Baiboly amin’ny endrika elektronika, nandritra ny fandaharana iray noraisina video mialoha.

Mombamomba An’ilay Tetikasa

  • Fiteny fampiasa any Afrika Afovoany ny Alur, indrindra fa any amin’ny faritra avaratratsinanan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy Ogandà, tanàna mifanakaiky aminy

  • Olona 1 735 000 eo ho eo no miteny alur

  • Misy 1 500 mahery ny mpitory manompo any amin’ireo antoko-mpitory sy fiangonana 48 miteny alur

  • Mpandika teny 6 no namita an’ilay izy nandritra ny herintaona

Nilaza ny Rahalahy Christian Belotti, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Congo (Kinshasa), hoe: “Tena ho tian’ny mpitory miteny alur ny hamaky an’ity Baiboly ity. Hanampy azy ireo hanazava tsara ny Soratra Masina izy ity, sady misy hanampian-dry zareo ny hafa mba hahatakatra sy ho tia ny Tenin’Andriamanitra.”​—Lioka 24:32.

Mino tanteraka isika fa hanampy ny rahalahy sy anabavy any mba hanohy hitory an’ilay “vaovao tsara mandrakizay” ity Baiboly vaovao ity.​—Apokalypsy 14:6.