Hijery ny anatiny

21 DESAMBRA 2022
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Nisy Tany Nihotsaka sy Tondra-drano Nahafaty Olona Tany Congo (Kinshasa)

Nisy Tany Nihotsaka sy Tondra-drano Nahafaty Olona Tany Congo (Kinshasa)

Avy be ny orana tany Congo (Kinshasa) tamin’ny 13 Desambra 2022, dia lasa nisy tondra-drano be sy tany nihotsaka tany. Olona 141 no maty fara fahakeliny satria tondraky ny rano ny tanàna sady be dia be ny trano nianjera.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Nampalahelo fa nisy rahalahy iray maty

  • Nisy mpitory iray naratra

  • Trano telo no rava

  • Trano telo no simba be

  • Trano dimy no nisy simba

  • Efitrano Fanjakana iray no nisy simba

Fanampiana tra-boina

  • Nanampy sy nampahery an’ireo mpiara-manompo niharan-doza ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky telo no notendrena mba hiandraikitra ny fanampiana tra-boina

  • Nanaraka tsara ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19 ny fanampiana rehetra natao

Tsy ho ela i Jesosy Kristy dia hifehy tanteraka ny toetr’andro sady hiaro ny tany sy ny olombelona. (Matio 8:25-27) Efa tsy andrintsika ny hahatongavan’io fotoana io!