Hijery ny anatiny

Ny Volkano Nyiragongo tamin’izy nipoaka

31 MEY 2021
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Nisy Volkano Nipoaka Tany Goma, dia Olona An’arivony no Voatery Nifindra Monina

Nisy Volkano Nipoaka Tany Goma, dia Olona An’arivony no Voatery Nifindra Monina

Toerana

Ny tanànan’i Goma, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo

Zava-nitranga

  • Nipoaka ny Volkano Nyiragongo tamin’ny asabotsy 2 Mey 2021. Any amin’ny Faritany Kivu Avaratra, akaikin’ny tanànan’i Goma, no misy azy io. Olona an’arivony no voatery nandositra an’ilay faritra nitrangan’ilay loza

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 2 000 no nitsoaka nankany amin’ny tanàna hafa tsy lavitra eo

  • Mpanompo manontolo andro manokana 35 no voatery nifindra toerana mandritra ny fotoana tsy maharitra

Trano simba

  • Tranona mpiara-manompo 29, fara fahakeliny, no rava

Fanampiana tra-boina

  • Misy Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) iray any voatendry handrindra ny fanampiana tra-boina. Miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana io komity io mba hamantarana hoe inona avy no simba vokatr’ilay volkano sy mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy

  • Mifanaraka amin’ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 daholo ny ezaka rehetra atao mba hanampiana ny tra-boina

Marina fa betsaka ny rahalahy sy anabavintsika namoy ny tranony. Faly anefa isika hoe tsy nisy naninonaninona ry zareo. Mivavaka ho an-dry zareo foana isika sady matoky hoe miantehitra amin’i Jehovah ry zareo ao anatin’izao “andro fahoriana” izao.​—Nahoma 1:7.

Ranoka volkano mikoriana avy amin’ilay volkano dia mandravarava an’ilay tanàna eo akaiky eo