28 FEBROARY 2022
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO
Nivoaka Tamin’ny Teny Kipende ny Soratra Grika Kristianina
Nivoaka tamin’ny 20 Febroary 2022 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kipende. Efa nalaina video mialoha ilay fandaharana, ary ny Rahalahy Nicolas Hifinger, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Congo (Kinshasa) no namoaka an’ilay Baiboly amin’ny endrika elektronika. Nisy 10 000 teo ho eo ny mpanatrika. Amin’ny Aprily 2022 no ho tonga ny Baiboly vita pirinty.
Taorian’ny taona 1960 no nanomboka ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny faritany miteny kipende. Nahazo gazety Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’izay, ny lehilahy iray atao hoe Makanda Madinga Henri. Rehefa avy nandinika ny fanazavana tao izy, dia resy lahatra hoe marina ny zavatra resahin’ilay gazety. Nanomboka niresaka an’ilay izy tamin’ny olona izy avy eo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia natao batisa izy ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Lasa nisy fiangonana amin’ny teny kipende tao Kiefu, tamin’ny 1979.
Hanampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika amin’ny fitoriana ny vaovao tsara sy ny fianarana samirery io fandikan-teny io. Nilaza, ohatra, ny Rahalahy Hifinger hoe “sady mazava no marina tsara” io Baiboly navoaka io, ary “namerina an’ilay anarana hoe Jehovah tamin’ny toerana rehetra tokony hisy azy.”
Mivavaka isika mba hahasoa an’ireo rahalahintsika io Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao io, amin’izay dia “hamokatra voa tsara” foana izy ireo “ka hanao ny tsara foana, ary vao mainka hahalala tsara an’Andriamanitra.”—Kolosianina 1:10.