Hijery ny anatiny

2 JANOARY 2020
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Tondra-drano Be Manerana An’i Congo

Tondra-drano Be Manerana An’i Congo

Lasa mampidi-doza izao manerana ny Repoblika Demokratikan’i Congo, any Afrika afovoany, satria nisy oram-be sy tondra-drano maharitra. Betsaka ny rahalahy sy anabavy tratran’ilay tondra-drano, araka ny tatitry ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Congo (Kinshasa). Mampalahelo fa namoy ny ainy ny rahalahy iray any Kinshasa renivohitra.

Izao no tatitra nalefan’ny sampan’i Congo (Kinshasa):

  • Tranon’ny fianakaviana Vavolombelona enina no ravan’ny rivo-mahery sy oram-be tany Kasai, any atsimoandrefana.

  • Efitrano Fanjakana iray any Sud-Ubangi, any avaratrandrefana, no dobo rano tanteraka. Fiangonana telo misy mpitory 69 no nivory tao amin’io Efitrano io. Fianakaviana 22 any Sud-Ubangi koa no tra-boina. Nisy anti-panahy iray sy mpisava lalana manokana iray notendren’ny sampana mba hanome izay ilain’ny tra-boina any amin’io toerana lavitra io sy hampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly.

  • Tsy maintsy niala tamin’ny tranony ny rahalahy sy anabavy any Tshopo, izay mipetraka eny amoron’ny Reniranon’i Congo. Efitrano Fanjakana iray koa, fara fahakeliny, no dobo rano.

  • Misy 80, fara fahakeliny, ny fianakaviana tra-boina any Kinshasa renivohitra, araka ny tatitra nalefan’ireo fiangonana any.

Mandefa fanazavana mahakasika ny fitandroana fahasalamana ny sampana, satria lasa maloto sy mankarary ny faritra maro, vokatr’ilay tondra-drano, ka atahorana hisy areti-mifindra.

Mafy ny fiainan’ny rahalahy sy anabavy any nefa mbola mifanampy ihany izy ireo ka mifampizara izay ananany, ohatra hoe sakafo sy akanjo. Manampy azy ireo koa ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky, izay mahazo toromarika avy amin’ny sampana.

Fantatsika hoe “hampionona an’izay ory rehetra” amin’izao fotoan-tsarotra izao ny vavaka ataontsika sy ny fanampiana ary ny fampaherezana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah.—Isaia 61:1, 2.