24 JONA 2020
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO
Valanaretina sy Tondra-drano ary Ady An-trano no Iainan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Congo (Kinshasa)
Miaina ao anatin’ny tondra-drano sy ady an-trano ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ny faritra sasany any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo sy any amin’ny Repoblikan’i Congo. Manginy fotsiny ny valanaretina coronavirus. Ny biraon’ny sampan’i Congo (Kinshasa) no miandraikitra ny asa fitoriana any amin’ireo firenena roa ireo. Nanao fandaharana ny sampana mba hampaherezana an’ireo rahalahy sy hanomezana an’izay ilainy andavanandro. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 57 manerana ny faritra iandraiketany ny biraon’ny sampana mba hanampiana ny rahalahy sy anabavy, ary 90 000 mahery izao no efa nizarana sakafo.
Mpitory 139 any amin’ny faritra atsinanan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo no tsy maintsy nafindra toerana, taorian’ny oram-be nahatonga tondra-drano tamin’ny 16 sy 17 Aprily 2020. Mipetraka any amin’ny mpiara-manompo izy ireo izao. Miezaka mikarakara trano vonjimaika sy trano maharitra ho azy ireo ny KVRV.
Tena malala-tanana sy vonona hanohana ny KVRV ny mpiara-manompo. Nahangona akondro 700 kilao, katsaka 400 kilao, ary mangahazo sy ravintoto 220 kilao, ohatra, ny mpitory any amin’ny toerana iray.
Misy mpitory 60 ao amin’ny Fiangonana Some 26 Km. Nampiantrano rahalahy sy anabavy 50 nandositra avy any amin’ny toerana misy ady izy ireo. Izay sakafo nisy teo no nifampizaran’izy ireo mandra-pahatongan’ny fanampian’ny KVRV.
Nitantara ny zavatra niainany ny loham-pianakaviana iray any Brazzaville, renivohitry ny Repoblikan’i Congo, rehefa nahazo fanampiana. Hoy izy: “Mety hiova ao anatin’ny indray mipy maso ny fiainana. Nahazo an’izay nilainay ihany izahay teo aloha, satria nanana asa aho na dia kelikely aza ny karamako. Ny vadiko koa nanaonao asa an-tselika teny. Tsy nisy fidiram-bola intsony anefa izahay rehefa niparitaka ny COVID-19. Natoky an’i Jehovah foana anefa izahay. Nifampiresaka izahay hoe inona no hatao rehefa lany ny sakafo, dia tamin’izay mihitsy i Jehovah no nanao zavatra hanampiana anay.”
Hoatr’izany koa no tsapan’ny Ranabavy Mbuyi Ester, any Kinshasa. Hoy izy: “Maty ny vadiko iray volana lasa izay, dia tena nila fanampiana aho. Tsy manana fidiram-bola aho nefa mamelona zaza telo. Tsy hahavita hanangona sakafo haharitra anay elaela hoatr’izao mihitsy izahay mianakavy kely. Misaotra Jehovah a!”
Mivavaka isika mba hanohana an’ireo rahalahy sy anabavintsika foana i Jehovah, ary hitahy ny fandaharam-panampiana ataontsika. Efa tsy andrintsika ny hahatongavan’ny fotoana hisian’ny vokatra be dia be eto an-tany ka hankafy an’izany ny olon-drehetra.—Salamo 72:16.