Hijery ny anatiny

25 JOLAY 2017
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Manome Fanampiana ho An’ireo Tratran’ny Ady any Congo ny Vavolombelon’i Jehovah

Manome Fanampiana ho An’ireo Tratran’ny Ady any Congo ny Vavolombelon’i Jehovah

Belinda (tsy nosoratana ny anarany feno, mba hiarovana azy) sy ny telo amin’ireo zanany, any amin’ny hopitaly iray any Dundo, any Angola. Nisy namono tany Congo ny vadiny, ary tsy hita popòka ny zanany vavikely iray. Naratra noho tifitra nahazo azy i Belinda sy Ritinha, zanany vavikely 2 taona. Tsy maintsy notapahina ny tongotr’io zanany vavy io. Naratra nisy nikapa tamin’ny antsibe koa ny zanany vavy iray.

KINSHASA, Congo: Manome fanampiana sy fampaherezana ara-baiboly ho an’ireo mpiara-mivavaka aminy niharan’ny herisetra ny Vavolombelon’i Jehovah. Manjaka mantsy ny adim-poko sy rotaka any amin’ny faritr’i Kasaï, any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Feno milisy mitam-piadiana koa any. Maherin’ny 1,3 tapitrisa àry ny olona tsy maintsy nifindra monina. Olona 30 000 mahery, ohatra, no niala tany Kasaï, dia nandositra any Angola, izay firenena eo akaiky eo. Maro tamin’ireo mpitsoa-ponenana no niharan’ny herisetra nahatsiravina, ohatra hoe voakapan’ny antsibe na may na voatifitra. Tsy maintsy notsaboina ry zareo rehefa tonga tany Angola. Araka ny tatitra voaray, dia maherin’ny 870 amin’ireo mpitsoa-ponenana any Angola ireo no Vavolombelon’i Jehovah, ary miaraka amin’izy ireo ny zanany mbola kely. Misy 10 amin’izy ireo, fara fahakeliny, no naratra. Mampalahelo fa Vavolombelon’i Jehovah 22 hatreto no maty.

Solontenan’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola tonga mitsidika anti-panahy vitsivitsy any Angola sy avy any Congo. Mpitsoa-ponenana ny sasany amin’ireo anti-panahy ireo.

Hoy i Robert Elongo, mpitondra tenin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Kinshasa: “Mampalahelo fa be dia be ny maty sy naratra noho ilay ady, sady tena mbola ankizy kely ny sasany. Nisy, ohatra, notafihin’ny olona rehefa raikitra tampoka ny ady teo akaikikaiky teo. Tena manahy momba an’ireo mpiara-mivavaka aminay izahay, ary nampirisika an-dry zareo mba ho mailo foana. Miara-miasa amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola izahay, ka manao izay rehetra azonay atao mba hanomezana ny zavatra ilain’ny mpiara-mivavaka aminay. Ampaherezinay koa ry zareo, dia izaranay hevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly.”

Mpitsoa-ponenana manamboatra trano hazo. Nitsoaka nankany anaty ala ry zareo, noho ilay ady any Congo.

Be dia be sady mitohy foana ny asa fanampiana efa atao amin’izao, ka nanangana komitin’ny vonjy rano vaky maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah any Angola sy any Congo mba handaminana an’izany. Maherin’ny 34 taonina ny fanampiana nomena an’ireo mpitsoa-ponenana, ohatra hoe bodofotsy, akanjo, sakafo, lay aro moka, kiraro, ary fitaovana fitsaboana milanja 525 kilao. Nankany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana koa ny dokotera iray Vavolombelon’i Jehovah mba hitsabo an’ireo olona 135 nila fitsaboana maika.

Nitsidika an’ireo mpitsoa-ponenana koa ny solontenan’ny biraon’ny sampan’i Angola sy Congo, ka nizara fampaherezana ara-panahy. Nisy fivoriana manokana natao, ohatra, tamin’izay, dia nasiana lahateny ara-baiboly nifanaraka tamin’izay nilain’ireo mpitsoa-ponenana. Ny fiteny portogey no tena fampiasa any Angola, nefa mba hanampiana an’ireo mpitsoa-ponenana, dia nasiana fandaharana tamin’ny fiteny tshiluba koa tamin’izay, araka ny hita eo amin’ny sary voalohany. Anisan’ireo fiteny efatra be mpampiasa any Congo mantsy io fiteny io.

Ataon’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay hampandeha tsara ny fanampiana tra-boina. Avy any amin’ny foibeny any Warwick, any New York, izy ireo no mandamina an’izany. Ny vola fanomezana ho an’ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany no ampiasaina amin’izany.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1 845 524 3000

Angola: Todd Peckham, +244 923 166 760

Repoblika Demokratikan’i Congo: Robert Elongo, +243 81 555 1000