Hijery ny anatiny

16 JANOARY 2017
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Manampy ny Tra-boina Noho ny Tondra-drano ny Vavolombelona any Congo

Manampy ny Tra-boina Noho ny Tondra-drano ny Vavolombelona any Congo

Manohy manampy an’ireo mpiara-mivavaka aminy sy ny olon-kafa tra-boina noho ny tondra-drano tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny Vavolombelon’i Jehovah. Tratran’io loza io mantsy ny tanànan’i Boma tamin’ny herinandron’ny 26 Desambra. Any amin’ny 470 kilaometatra eo ho eo, any atsimoandrefan’i Kinshasa no misy an’io tanàna io.

Fianakaviana Vavolombelona 39 no tratran’ilay tondra-drano, anisan’izany ny Vavolombelona iray izay namoy ny ainy. Ankoatr’izay, trano dimy an’ny Vavolombelona no rava tanteraka, ary nisy simba ny dimy hafa.

Nandefa sakafo sy akanjo ho an’ny Vavolombelona tra-boina any amin’ny faritra andrefana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Congo, satria izany no tena nilain’izy ireo maika. Nanolotra fanampiana hafa ho an’ny mpiara-mivavaka aminy ny Vavolombelona any amin’ny tanànan’i Matadi sy Muanda, izay any amin’ny 80 kilaometatra miala an’i Boma.

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny foibeny any Warwick, New York, no mandrindra ny fanampiana ny tra-boina any Congo. Ny vola fanomezana ho an’ny asa fitoriana maneran-tany no ampiasaina amin’izany.

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Iraisam-pirenena: David Semonian, Biraon’ny Filazam-baovao, +1 845 524 3000

Repoblika Demokratikan’i Congo: Robert Elongo, +243 81 555 1000