Hijery ny anatiny

12 MARTSA 2015
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO

Tsy Eken’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny Fanavakavahana Fivavahana any An-tsekoly

Tsy Eken’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny Fanavakavahana Fivavahana any An-tsekoly

‘Tokony hitovy zo daholo ny mpianatra fa tsy havakavahana. Izany no tanjona apetrakay ho an’ny sekoly rehetra eto amin’ny firenena.’—Ny Biraon’ny Mpitan-tsoratry ny Ministeran’ny Fampianarana, 12 Jona 2014.

Noroahin’ireo sekoly tohanan’ny fivavahana hafa ny ankizy Vavolombelona any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), nandritra ny taona maro. Tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba ara-pivavahana fanao tany am-pianarana mantsy ireo ankizy ireo. Lasa olana ilay izy, satria ny fitsipika napetraky ny sekoly indray no narahina fa tsy ny an’ny fanjakana. Tsy nohajaina koa ny zon’ireo mpianatra Vavolombelona. Hitan’ny fanjakana kongoley fa tsy rariny ilay zava-nitranga, ka nilaza izy ireo fa manan-jo hianatra sy tsy avakavahana ny ankizy rehetra.

Tsy manaraka ny fitsipika apetraky ny fanjakana ireo sekoly tohanan’ny fivavahana

Nanao fifanarahana tamin’ny fanjakana kongoley ny fivavahana hoe hanohana an’izay sekolim-panjakana mila fanampiana. Voalaza tsara tao amin’ilay fifanarahana fa “tsy tokony hisy hanavakavaka fivavahana” any am-pianarana, ary “tsy terena hanaraka an’izay fombafomba mety hampisy an’izany ny ankizy.” Matetika anefa ireny sekoly ireny no mametraka fitsipika hoe tsy maintsy manatrika sy mandray anjara amin’ny fanao ara-pivavahana ny mpianatra. Maro amin’izy ireny no tsy manaiky mihitsy raha tsy arahina ny fitsipika napetrany. Tsy manaja ny zon’ny mpianatra hanaraka an’izay fivavahana tiany izy ireo amin’izany, sady tsy miraharaha an’ilay fifanarahana nataony tamin’ny fanjakana.

Tamin’ny 2005 no tena nipoitra ny olana. Nisy 52 mantsy ny mpianatra Vavolombelona voaroaka tany an-tsekoly, tany Abumombazi, Faritanin’i Équateur, noho izy ireo nangataka tsy hanao fotoam-pivavahana nalamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly. Vao mainka nitatra ilay olana satria nanao toy izany koa ireo sekoly tany amin’ny faritany hafa. Lasa 300 mahery, tatỳ aoriana, ny mpianatra Vavolombelona voaroaka tany am-pianarana, anisan’izany ireo efa tokony hahazo diplaoma.

Voaroaka tsy ara-drariny tany an-tsekoly tamin’ny 2009 i Kanyere Ndavaro, 13 taona. Hoy izy: “Malahelo aho fa potika ny fiainako. Tsy haiko mihitsy izao hoe hanao ahoana ny hoaviko.” I Kambere Justin indray efa tokony hahazo diplaoma tamin’ny 2010, nefa voaroaka taloha kelin’izay. Nilaza izy fa “nikorontana ambony ambany” ny fiainany. Tsy nampandefitra ny zavatra inoany mihitsy ireo ankizy ireo, na dia nalahelo aza hoe tsy navela hianatra sy hahazo diplaoma.

Avelan’ny manam-pahefana kongoley hanaraka an’izay fivavahana tiany ny olona

Niezaka nifampiraharaha tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly ny ray aman-drenin’ireo ankizy voaroaka. Tsy nanova zavatra firy anefa izany. Nampakatra an’ilay raharaha àry ireo Vavolombelona, ka nahita manam-pahefana afaka nanampy azy ireo hampitsahatra an’ilay fanavakavahana.

Nisy taratasy navoaka mba handrarana ny fanavakavahana fivavahana, tamin’ny 2011. I Bazizane Maheshe, Minisitry ny Fampianarana any amin’ny faritanin’i Kivu Avaratra, no nanoratra an’ilay izy. Nolazaina tao fa “tena mampalahelo” ny mahita an’ireo olona avakavahana noho ny fivavahany. Hoy ihany izy io: “Avakavahana foana ny mpianatra avy amin’ny fivavahana sasany, ary ny fitsipika ao amin’ny sekoly no mahatonga an’izany. Tsy raharahaina koa ny lalàna manan-kery eto amin’ny RDC.”

Tamin’ny 4 Septambra 2013 no nodinihin’ny fanjakana ilay raharaha. Namoaka didy ho an’ny sekoly rehetra tamin’izay i Mwangu Famba, Minisitry ny Fampianarana eran’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Milaza mazava ny “Taratasy Mandrara ny Fanavakavahana Fivavahana” fa “manan-jo hianatra any amin’izay sekoly tiany hianarana ny ankizy rehetra, ary tsy tokony havakavahana noho ny fivavahany mihitsy izy ireo.” Hita tamin’ilay didy navoaka koa fa “tena mandika ny fitsipika sy lalàna manan-kery eran’ny Repoblika Demokratikan’i Congo” ny sekoly, rehefa mandroaka mpianatra noho ny fivavahany.

Maro tamin’ireo sekoly no nanaraka an’ilay lalàna navoakan’ny fanjakana, ka nandray an’ireo mpianatra Vavolombelona indray. Mbola niziriziry tamin’ny heviny ihany anefa ny sasany. Namoaka taratasy manamafy an’ilay didy tamin’ny Septambra 2013 àry ny Minisitry ny Fampianarana, tamin’ny 12 Jona 2014. Nisy lalàna vaovao momba ny fampianarana a navoakan’ny filoham-pirenen’ny RDC tao amin’izy io. Tena nandamina an’ilay olana izany, satria nohamafisina tao hoe tokony hofoanana ny fanavakavahana, ary ny lalàna napetraky ny fanjakana no manan-kery kokoa noho ny fitsipiky ny sekoly. Nanendry olona hanara-maso ny sekoly eran’ny RDC koa ny Minisitry ny Fampianarana, mba hahitana raha tena manaraka an’ilay lalàna izy ireo. Azo antoka fa handamina tanteraka an’ilay olana io fepetra noraisin’ny fanjakana io.

Maro no mandray soa

Afaka mianatra tsara ny ankizy na inona na inona fivavahany, rehefa mampihatra an’ilay lalàna ny sekoly any amin’ny RDC. Hahay hanaja ny olona rehetra koa izy ireo, na tsy mitovy fivavahana aminy aza ilay olona. Hita amin’izany hoe mankatò ny Lalàm-panorenan’ny RDC sy ny didy navoakan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ireo sekoly, sady manome modely tsara ho an’ny mpianatra ao aminy.

a Andininy 014/004/2014 ‘Afaka mampianatra ny zanany any amin’izay sekoly tiany ny ray aman-dreny, noho ilay lalàna vaovao momba ny fampianarana. Tokony hitovy zo daholo ny mpianatra fa tsy havakavahana. Izany no tanjona apetrakay ho an’ny sekoly rehetra eto amin’ny firenena.’