Hijery ny anatiny

14 OKTOBRA 2013
REPOBLIKA DOMINIKANINA

Mariazy Voalohany Nekena ho Ara-dalàna Nefa Tsy Natao Tany Amin’ny Katolika

Mariazy Voalohany Nekena ho Ara-dalàna Nefa Tsy Natao Tany Amin’ny Katolika

Tena niavaka teo amin’ny tantara ny mariazin’ny Vavolombelon’i Jehovah roa tany amin’ny Repoblika Dominikanina tamin’ny 28 Aogositra 2013. Noho ny fifanarahana nataon’ny Repoblika Dominikanina sy Vatikana, dia izay mariazy natao tany amin’ny fiangonana katolika na ny soratra ara-panjakana ihany no nekena ho ara-dalàna, nanomboka tamin’ny 1954. Tsy maintsy nisoratra tany amin’ny fanjakana àry ny Vavolombelon’i Jehovah ankoatra ny fampakaram-bady nataony tany amin’ny fiangonany. Nisy lalàna vaovao anefa nilaza fa azo ekena ho ara-dalàna ny mariazy atao any amin’ny fivavahana hafa, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Iny mariazy tamin’ny 28 Aogositra iny no mariazy voalohany tsy natao tany amin’ny fiangonana katolika, nefa nekena ho ara-dalàna.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Repoblika Dominikanina: Josué Feliz, tel. +1 809 595 4007