20 APRILY 2021
ROMANIA
Fahatsiarovana 2021: Nanatrika ny Lahatenin’ny Fahatsiarovana Tamin’ny Vidéoconférence Ireo Gadra Tany Romania
Efa 17 taona izao ny mpiara-manompo amintsika any Romania no nitarika dinidinika ara-baiboly tamin’ireo gadra ao amin’ny fonjan’i Jilava any Bucarest, isan-kerinandro. Vao nanomboka ny valanaretina COVID-19 dia tsy azo nivoriana intsony tany amin’ilay fonja. Tapa-bolana talohan’ny Fahatsiarovana tamin’ny 27 Martsa 2021 anefa dia nanaiky ny mpiandraikitra ny fonja hoe azo atao amin’ny alalan’ny vidéoconférence indray ny fivoriana. Niera tamin’ireo mpiandraikitra ireo ihany ny rahalahintsika raha afaka nanao lahatenin’ny Fahatsiarovana tamin’ny vidéoconférence, dia nanaiky izy ireo. Gadra 21 no nanatrika ny Fahatsiarovana, dia olona 4 mpiasan’ny fonja.
Ny Rahalahy Corneliu Cepan no nanao an’ilay lahateny tamin’ny teny romanianina. Ny Rahalahy Angelos Karamplias kosa no nandika an’ilay izy tamin’ny teny grika. Nisy gadra iray niteny grika mantsy nanatrika tao. Olona efatra miasa ao amin’ilay fonja koa no nanatrika an’ilay lahateny, ary lehiben’ny fonja ny iray.
Hoy ny Rahalahy Cepan: “Tombontsoa be mihitsy ny nanao an’iny lahatenin’ny Fahatsiarovana iny. Nihaino tsara ny gadra nanatrika teo sady nisaintsaina an’ilay sorona lehibe nataon’i Jesosy ho an-dry zareo.”
Hoy indray ny Rahalahy Karamplias: “Faly be isika hoe mitady hirika i Jehovah, amin’izay mba afaka mandre ny vaovao tsara ireo gadra. Nataony afaka nanatrika ny Fahatsiarovana koa ry zareo. Enga anie mba hisy gadra hafa be dia be koa hanatrika an’ireny dinidinika ara-baiboly amin’ny vidéoconférence ireny, dia mba hahazo fampaherezana avy amin’ny Baiboly.”
Faly isika hoe navelan’ny mpiandraikitra ny fonja hanatrika ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ireo gadra.—1 Timoty 2:3, 4.