21 APRILY 2020
ROMANIA
Navoaka Tamin’ny Alalan’ny Vidéoconférence ny Baiboly Amin’ny Teny Romanianina
Navoaka tamin’ny 19 Aprily 2020, tamin’ny fivoriana manokana iray tany Bucharest, any Romania, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny romanianina. Ny Rahalahy Jon Brenca, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Romania, no namoaka an’ilay Baiboly. Nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny Internet sy vidéoconférence ny fiangonana rehetra miteny romanianina any Romania sy Moldavia. Nadika ho amin’ny teny hongroà sy rômania (Romania) ary tenin’ny tanana romanianina ilay fandaharana. Nisy 69 000 mahery ny mpanatrika.
Ekipa mpandika teny roa no nandika an’ilay Baiboly tao anatin’ny telo taona mahery. Mazava sy amin’ny fiteny andavanandro io Baiboly nohavaozina io nefa mamoaka tsara ny hevitry ny teny tany am-boalohany. Hoy ny iray amin’ireo mpandika teny: “Mora vakina ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina satria maoderina tsara ny teny ampiasainy. ... Manohina ny fo àry ny hevitra sarobidy ao amin’ny Baiboly.”
Hoy koa ny mpandika teny iray hafa: “Mazava tsara ny teny ampiasaina ao amin’ilay Baiboly dia afaka mianatra azy io daholo na firy taona na firy taona. Azo antoka hoe hanampy ny olona tso-po hanatona an’i Jehovah ilay izy. Tena manan-kery io boky io sady amin’ny fiteny maoderina.”
Efa voadika ho amin’ny fiteny 186 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo na ny ampahany aminy, ka ny 31 amin’ireo no fanavaozana avy amin’ilay Baiboly anglisy nivoaka tamin’ny 2013. Tena handray soa avy amin’io Baiboly nohavaozina io ny Vavolombelon’i Jehovah 65 000 mahery maneran-tany miteny romanianina.
Hita mihitsy hoe mitahy an’izay tia azy sy miara-manompo azy amim-piraisan-tsaina i Jehovah.—Ohabolana 10:22.