Hijery ny anatiny

Ireo mpitsara telo ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Oriol namoaka didim-pitsarana manamafy hoe meloka higadra enin-taona i Dennis Christensen

11 JONA 2019
ROSIA

Alefa any Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Raharaha Dennis Christensen

Alefa any Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny Raharaha Dennis Christensen

Araka ny vaovao teo aloha dia tsy nanaiky ny fangatahan’i Dennis Christensen ny Fitsaram-paritr’i Oriol, tamin’ny 23 Mey 2019. Tsy maintsy migadra enin-taona ihany izy, vokatr’izany. Efa notanana am-ponja vonjimaika roa taona anefa izy, ary mitovy amin’ny telo taona tany am-ponja izany, amin’ny lalàna rosianina. Midika izany hoe telo taona sisa izy no higadra. Nafindra tany amin’ny fonja iray àry ny Rahalahy Christensen, ny takarivan’ny 6 Jona 2019, mba hanefa ny saziny. Hametraka fitarainana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ny Rahalahy Christensen. Efa nandefa fitarainana tany amin’ny CEDH koa izy talohan’io satria tsy rariny ny nitanana azy am-ponja vonjimaika.

Mendri-piderana ny Rahalahy Christensen satria tony foana izy sady manam-paharetana na dia iharan’ny tsy rariny aza. Matoky isika hoe tohanan’i Jehovah foana izy sy ireo Vavolombelon’i Jehovah 200 mahery any Rosia, izay ampangaina ho mpanao heloka bevava.—Salamo 27:1.

Vakio ny tenin’i Dennis Christensen teo anatrehan’ny Fitsaram-paritr’i Oriol, tamin’ny 16 Mey 2019.

Vakio ny tenin’i Dennis Christensen teo anatrehan’ny Fitsaram-paritr’i Oriol, tamin’ny 23 Mey 2019.