Hijery ny anatiny

11 FEBROARY 2020
ROSIA

Amin’ny 13 Febroary 2020 ny Didim-pitsarana Momba ny Rahalahy sy Ranabavy Mikhail sy Yelena Popov

Amin’ny 13 Febroary 2020 ny Didim-pitsarana Momba ny Rahalahy sy Ranabavy Mikhail sy Yelena Popov

Amin’ny alakamisy 13 Febroary 2020 ny fitsarana ao Vilyuchinsk no hamoaka didy momba ny Rahalahy Mikhail Popov sy ny vadiny, Ranabavy Yelena Popova. Nosamborina tany Kamtchatka tamin’ny 30 Jolay 2018 izy mivady ary nafahana tamin’ny 9 Aogositra 2018. Nampangaina hoe nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza izy mivady.

Mampiady saina izany miatrika fitsarana izany nefa matoky an’i Jehovah foana i Mikhail sy Yelena. Matoky isika hoe “fialofana sy hery” ho azy mivady i Jehovah.—Salamo 46:1.