Hijery ny anatiny

31 JANOARY 2019
ROSIA

Amin’ny 6 Febroary 2019 no Hivoaka ny Didim-pitsarana Momba An’i Dennis Christensen

Amin’ny 6 Febroary 2019 no Hivoaka ny Didim-pitsarana Momba An’i Dennis Christensen

Ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy any Oriol no nikarakara ny raharaha mahakasika an’i Dennis Christensen, ary nilaza ny mpitsara fa amin’ny alarobia 6 Febroary 2019 izy no hamoaka ny didim-pitsarana farany.

Tamin’ny 25 Mey 2017 no nosamborina ny Rahalahy Christensen, ary tamin’izay izy no nanomboka nigadra. Tamin’ny 19 Febroary 2018 no nanomboka ny fitsarana azy. Raha melohin’ilay fitsarana izy dia higadra enin-taona sy tapany.

Tsy kivy ny Rahalahy Christensen fa matanja-tsaina foana, na dia efa ho roa taona aza izy izay no nigadra. Matoky tanteraka an’i Jehovah izy sady faly hoe mivavaka ho azy ny mpiara-manompo maneran-tany.—2 Tesalonianina 3:1, 2.