Hijery ny anatiny

Rahalahy Anatoliy Tokarev eo ivelan’ny trano fitsarana tamin’ny Aogositra 2020

23 OKTOBRA 2020
ROSIA

Ampandoavina Sazy ny Rahalahy Anatoliy Tokarev any Rosia

Ampandoavina Sazy ny Rahalahy Anatoliy Tokarev any Rosia

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Oktiabrski, any Kirov, ny Rahalahy Anatoliy Tokarev, tamin’ny 23 Oktobra 2020, ary nampandoaviny sazy 500 000 roubles (6 552 dolara amerikanina). Afaka mampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy, ao anatin’ny folo andro.

Be herim-po ny Rahalahy Tokarev rehefa nilaza an’izao, tamin’ny teniny farany teo anatrehan’ny fitsarana: “Tamin’ity raharaha ity, dia hoatran’ny niteny tamiko ny manam-pahefana, hoe: ‘Na ianao hiala amin’ny finoanao, na... hosazina mafy ampahibemaso.’ ... Ry Mpitsara Hajaina, efa noteneniko tamin’ny andro voalohany nitsarana ahy, ary mbola averiko eto androany, fa tsy hiala amin’ny finoako an’Andriamanitra aho. ... Mazava ho azy fa mampahatahotra ahy sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa ny hoe hogadraina na hovonoina ho faty. Manala baraka ahy koa ilay lazaina hoe mampidi-doza aho nefa tsy nanao ratsy akory. Na izany aza, Tompoko, dia tsy vitako ny handa an’Andriamanitra, ka tsy ho tiany intsony.”