Hijery ny anatiny

15 FEBROARY 2021
ROSIA

Ampandoavin’ny Fitsarana Rosianina Lamandy ny Ranabavy Svetlana Monis Noho ny Finoany

Ampandoavin’ny Fitsarana Rosianina Lamandy ny Ranabavy Svetlana Monis Noho ny Finoany

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 15 Febroary 2021, fa meloka ho nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana voarara ny Ranabavy Svetlana Monis. Lamandy 10 000 roubles (137 dolara amerikanina) no saziny.

Hita tamin’ny teny famaranana nataon’i Svetlana hoe manam-pinoana sy be herim-po izy. Hoy izy: “Tiako ny hilaza hoe mijoro eto anatrehan’ny fitsarana aho izao ... noho ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy Jehovah Andriamanitra Rainy. Izao no lazain’ny Baiboly momba an’izany, ao amin’ny 1 Petera 4:14-16: ‘Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy, satria mitoetra aminareo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra. Aoka anefa tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona. Fa raha misy mijaly satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany.’”