Hijery ny anatiny

Havia miankavanana: Rahalahy Aleksandr Prianikov, Ranabavy Venera Dulova, ary ny zanany, Ranabavy Darya Dulova, talohan’ny fitsarana azy ireo

24 JANOARY 2020
ROSIA

Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava ny Rahalahy Iray sy ny Anabavy Roa any Karpinsk, Rosia

Ampangaina ho Mpanao Heloka Bevava ny Rahalahy Iray sy ny Anabavy Roa any Karpinsk, Rosia

Amin’ny alatsinainy 27 Janoary 2020 ny fitsarana ao Karpinsk no hamoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy ny Ranabavy Venera sy Darya Dulova. Nangataka ilay mpampanoa lalàna hoe homena sazy mihantona telo taona ny Rahalahy Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova, ary homena sazy mihantona roa taona ny Ranabavy Darya Dulova.

Niresaka momba ny Baiboly tamin’ny lehilahy iray ny Rahalahy Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova, tamin’ny 19 Aprily 2016. Niantso polisy ny havan’io lehilahy io satria nolazainy hoe mpangalatra izy ireo. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy àry ny Rahalahy Prianikov sy ny Ranabavy Dulova. Nalain’ny polisy ny peta-tondron’izy ireo sy ny boky teny aminy.

Taorian’iny zava-nitranga iny, dia nosamborina sy nalaina am-bavany indray izy ireo, roa taona mahery tatỳ aoriana. Nogiazan’ny polisy ny findain’izy ireo sy ny taratasy hafa azy ireo manokana. Niantso manam-pahaizana manokana momba ny fivavahana ny lehiben’ny polisy mba handinika ny fanazavana ao amin’ny findain’ny Rahalahy Prianikov sy ny Ranabavy Dulova. Nanao tatitra 15 pejy io manam-pahaizana io ary nolazainy tao hoe misy fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny findain’izy ireo. Izany no tena niampangana azy ireo ho mpanao heloka bevava. Nomen’ny fitsarana tao Karpinsk alalana ny manam-pahefana, avy eo, mba hanao savahao ny tranon’izy ireo.

Nisava ny tranon’ny Ranabavy Dulova ny polisy ka naka fitaovana elektronika, sary, ary boky. Nanaovana famotorana koa i Darya zanany, izay 18 taona. Nosavana koa ny tranon’ny havan’izy ireo sy ny tranon’ny Rahalahy Prianikov.

Nanao bemidina tao an-tranon’ny Rahalahy Prianikov indray ny mpiasa telo ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) sy ny mpanao famotorana ary ny manam-pahefana roa hafa, ny marainan’ny 16 Aprily 2019. Nalain’izy ireo ny fitaovana elektronika sy ny zavatra hafa an’ny Rahalahy Prianikov.

Nosamborina sy nalaina am-bavany ny Ranabavy Darya Dulova, tamin’ny 23 Jolay 2019, satria nahiahina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny reniny sy ny Rahalahy Prianikov. Samy nampangaina ho mpanao heloka bevava izy telo ary nanomboka tamin’ny Septambra 2019 ny fitsarana azy ireo.

Mivavaka ho azy telo sy ho an’ireo rahalahy sy anabavy efa ho 300 ampangaina ho mpanao heloka bevava sy migadra any Rosia isika. Enga anie ka ho tanteraka amin’izy ireo ity andinin-teny ity: “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo, mba hitombo be ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina!”—Romanina 15:13.