Hijery ny anatiny

Havia miankavanana: Rahalahy Aleksey Budenchuk, Aleksey Miretskiy, Feliks Makhammadiyev, Gennadiy German, ary Roman Gridasov

24 FEBROARY 2020
ROSIA

Ampian’ny Namany ny Vavolombelon’i Jehovah Novonovonoina any Amin’ny Fonjan’i Rosia

Ampian’ny Namany ny Vavolombelon’i Jehovah Novonovonoina any Amin’ny Fonjan’i Rosia

Rehefa henon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Orenburg hoe novonovonoina ny rahalahy dimy ao amin’ny fonja iray ao amin’io tanàna io, dia nankany amin’ilay fonja avy hatrany izy ireo mba hitondra fanampiana. Avy any Saratov, 800 kilaometatra mahery miala eo Orenburg, ireo rahalahy migadra ireo. Ireto avy izy ireo: Aleksey Budenchuk, Gennadiy German, Roman Gridasov, Feliks Makhammadiyev, ary Aleksey Miretskiy.

Sarin’ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev mitsikitsiky, tapa-bolana latsaka taorian’ny nampijalijalin’ny mpiambina ny fonja azy; takonany amin’ny akanjony ny ratra nahazo azy

Noresahin’ny vaovao nivoaka tamin’ny 15 Febroary 2020 hoe novonovonoin’ny mpiambina ny fonjan’i Orenburg tamin’ny kibay ireo rahalahy dimy avy any Saratov ireo. Rahalahy sy anabavy maromaro avy ao Orenburg no nankany amin’ilay fonja rehefa avy nahita an’ilay vaovao. Sahy nilaza izy ireo hoe Vavolombelon’i Jehovah, na dia mety hampigadra azy ireo aza izany. Nanontanian’izy ireo ny mpiasan’ilay fonja hoe nanao ahoana izy dimy mirahalahy. Tian’izy ireo hohamarinina hoe mbola velona ve ny Rahalahy Makhammadiyev, satria noresahin’ilay vaovao hoe izy no voa mafy indrindra ka nampidirina hopitaly. Efa ho adiny roa izy ireo no niresaka tamin’ny mpiasan’ny fonja.

Manao fandaharana koa ny mpiara-manompo any Orenburg sy ny mpisolovavan’izy dimy mirahalahy, mba hisy olona afaka manampy azy ireo sy ny vadiny foana. Matetika ny rahalahy sy anabavy any Orenburg no mandefa taratasy mampahery ho azy dimy mirahalahy. Manome vola mihitsy aza izy ireo mba hividianana sakafo mahasalama kokoa, izay tsy misy ao amin’ilay fonja.

Be fitiavana sy mahafoy tena tokoa ny rahalahy sy anabavy! Fitoriana vita ho azy ho an’ny mpiasan’ny fonja izany satria hitan’izy ireo hoe tena tia sy mikarakara ny mpiara-mivavaka aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mifanalavitra be sy mbola tsy nifankahita mihitsy aza.

Mampahery ny maheno hoe arahin’ny rahalahintsika ity torohevitra ao amin’ny Hebreo 13:3 ity: “Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja, toy ny hoe miara-mifatotra aminy ianareo. Tsarovy koa ireo ampijalina, satria ianareo koa aza mbola ao amin’ny nofo.”