Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Ranabavy Kishta Tutinova, Tsagan Khalgaeva, ary Yekaterina Menkova

28 JONA 2024
ROSIA

Anabavy Telo Voaheloka any Amin’ny Repoblikan’i Kalmoukie, any Rosia

Anabavy Telo Voaheloka any Amin’ny Repoblikan’i Kalmoukie, any Rosia

Nomelohin’ny Fitsaran’i Elista, ao amin’ny Repoblikan’i Kalmoukie, ny Ranabavy Tsagan Khalgaeva sy Yekaterina Menkova ary Kishta Tutinova, tamin’ny 24 Jona 2024. Samy nahazo sazy mihantona roa taona i Tsagan sy Yekaterina. I Kishta kosa nahazo sazy mihantona telo taona. Tsy voatery migadra aloha ry zareo izao.

Ilay voampanga

Mendri-piderana ireny mpiara-manompo amintsika manam-pinoana ireny. Faly koa isika mahalala hoe hitan’i Jehovah daholo ny fitsapana atrehintsika ary hamaly soa antsika izy raha tsy mivadika isika.​—Salamo 37:18.

Zava-nitranga

  1. 16 Febroary 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Kishta

  2. 28 Febroary 2023

    Nosavana ny tranon-dry zareo. Notanana am-ponja vonjimaika i Kishta

  3. 1 Martsa 2023

    Voaroaka tamin’ny asany i Tsagan satria nalaza be hoe mpanao heloka bevava izy. Tsy notanana am-ponja vonjimaika intsony i Kishta, fa nambenana tao an-tranony indray

  4. 21 Jolay 2023

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Kishta

  5. 19 Desambra 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Yekaterina sy Tsagan. Samy tsy navela nanao dia lavitra ry zareo

  6. 9 Febroary 2024

    Tsy navela nanao dia lavitra i Kishta

  7. 1 Aprily 2024

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

  8. 24 Jona 2024

    Nomelohina izy telo vavy ary nomena sazy mihantona