Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Ranabavy Tatyana Bondarenko sy Tatyana Svoboda ary Yelena Nesterova

10 JOLAY 2023
ROSIA

Anabavy Telo Voaheloka any Komsomolsk-sur-l’Amour

Anabavy Telo Voaheloka any Komsomolsk-sur-l’Amour

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Centralniy any Komsomolsk-sur-l’Amour ny Ranabavy Tatyana Bondarenko sy Yelena Nesterova ary Tatyana Svoboda, tamin’ny 23 Martsa 2023. Samy nahazo sazy mihantona dimy taona avy ry zareo. Tsy mila mankany am-ponja aloha ry zareo izao.

Ireo voampanga

Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah sy homeny hery foana ny rahalahy sy anabavintsika, satria tsy mivadika ry zareo na dia miatrika ny mafy aza.​—Rota 2:12.

Zava-nitranga

  1. 21 Septambra 2021

    Nisokatra ny raharaha niampangana an’i Tatyana Svoboda ho mpanao heloka bevava

  2. 18 Oktobra 2021

    Nanomboka natao famotorana koa i Tatyana Bondarenko sy Yelena Nesterova

  3. 20 Oktobra 2021

    Nosavana ny tranon-dry zareo

  4. 28 Aogositra 2022

    Voafaritra ny zavatra iampangana an-dry zareo

  5. 28 Desambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana

  6. 23 Martsa 2023

    Voaheloka sy nomena sazy mihantona dimy taona avy