Hijery ny anatiny

30 JONA 2020
ROSIA

Angatahin’ny Mpampanoa Lalàna ny Fitsarana mba Tsy Hanafaka An’i Dennis Christensen Mialoha

Angatahin’ny Mpampanoa Lalàna ny Fitsarana mba Tsy Hanafaka An’i Dennis Christensen Mialoha

Vao henonay vao izao hoe nangataka i A. A. Shatunov, ao amin’ny Biraon’ny Mpampanoa Lalàna any Koursk, mba hodinihin’ny fitsarana ambony ny momba an’ilay didy nanomezana fahafahana aloha kokoa an’ny Rahalahy Dennis Christensen. Tsy mivoaka ny fonja indray àry izy. Marina fa hangataka ny hitsipahana an’izany fangatahana izany ny mpisolovavan’ny Rahalahy Christensen, nefa azo antoka hoe mbola afaka herinandro maromaro indray ny fitsarana vao hihaino an’io raharaha io. Efa napetraka tao amin’ny efitra fanasaziana nandritra ny folo andro ny Rahalahy Christensen. Tsy maninona izy na dia teo aza iny fiovana iny. Isaorana ianareo satria manohy mivavaka ho an’ny Rahalahy Christensen sy ny vadiny foana.