Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Lubin sy Tatyana vadiny

5 Febroary 2024
ROSIA

“Ankino Amin’i Jehovah ny Lalanao”

“Ankino Amin’i Jehovah ny Lalanao”

Tsy ho ela dia havoakan’ny Fitsaram-paritr’i Shadrinskiy any Kourgan ny didim-pitsarana mahakasika ny Rahalahy Aleksandr Lubin. Mbola tsy namoaka sazy ho an’ny Rahalahy Aleksandr aloha izao ny mpampanoa lalàna.

Ilay voampanga

Matoky koa isika hoe hahavita tsy hivadika hoatran’i Aleksandr isika na dia mijaly be aza, raha mbola miantehitra amin’i Jehovah.​—Isaia 38:14.

Zava-nitranga

  1. 13 Jolay 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 14 Jolay 2021

    Nosavana ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah valo. Nosamborina i Aleksandr, dia natao famotorana, ary nampidirina am-ponja vonjimaika

  3. 16 Jolay 2021

    Nafindra tany amin’ny trano iray fitanana am-ponja vonjimaika

  4. 19 Jolay 2021

    Nampakatra an’ilay raharaha teny amin’ny fitsarana satria narary mafy

  5. 28 Aogositra 2021

    Nafahana i Aleksandr ary norarana tsy hanao dia lavitra, taorian’ny fitakiana nataon’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona sy ny olon-kafa mpiaro ny zon’olombelona

  6. 14 Jolay 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy

  7. 7 Septambra 2023

    Nahemotra ilay raharaha teny amin’ny fitsarana satria niditra hopitaly i Aleksandr