Hijery ny anatiny

23 JONA 2020
ROSIA

Avelan’ny Fitsarana Rosianina Hahazo Fahafahana Aloha Kokoa ny Rahalahy Christensen

Avelan’ny Fitsarana Rosianina Hahazo Fahafahana Aloha Kokoa ny Rahalahy Christensen

Tamin’ny 23 Jona 2020 ny Fitsaram-paritr’i Lgovskiy any Koursk no namoaka didy hoe omena fahafahana aloha kokoa ny Rahalahy Dennis Christensen. Nohalefahin’ny mpitsara ny sazin’ny Rahalahy Christensen, noho ny fangatahan’ny fampanoavana, ka tsy manefa ny ambin’ny saziny any am-ponja izy fa lamandy 400 000 roubles (5 759 dolara amerikanina) no haloany. Afaka folo andro io didy io no hampiharina, ka ho afaka hody any amin’ny vadiny sy ny havany ary ny mpiara-mivavaka aminy izy. Midera an’i Jehovah isika!