Hijery ny anatiny

Rahalahy Nikolay Aliyev sy Alesya vadiny

25 MARTSA 2021
ROSIA

Be Herim-po ny Rahalahy Nikolay Aliyev na dia Enjehina Noho ny Finoany Aza

Be Herim-po ny Rahalahy Nikolay Aliyev na dia Enjehina Noho ny Finoany Aza

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Nikolay Aliyev, tamin’ny 2 Septambra 2021. Mbola manan-kery àry ny sazy azony tamin’ny voalohany. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Nahazo Sazy Mihantona ny Rahalahy Nikolay Aliyev

Nomen’ny Fitsaram-paritr’i Komsomolsk-sur-l’Amour sazy mihantona efa-taona sy tapany ny Rahalahy Nikolay Aliyev, tamin’ny 4 Jona 2021.

Ilay voampanga

Nikolay Aliyev

  • Teraka: 1978 (Komsomolsk-sur-l’Amour)

  • Mombamomba azy: Lasa saina tamin’ny mbola kely hoe ahoana no nampisy antsika sy nampisy an’izao rehetra izao. Notadiaviny tao amin’ny Baiboly ny valiny. Tsy nanao haiady intsony rehefa nisaintsaina hoe nampianatra ny olona ho tia fihavanana i Jesosy sady modely tamin’izany. Natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1993

    Nanambady an’i Alesya tamin’ny 2016. Betsaka ny fialam-boly tian-dry zareo, anisan’izany ny manao dia lavitra, mandehandeha, ary mikorisa amin’ny ranomandry

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina vao maraina tany an-tranon’i Nikolay sy Alesya ny polisy any Komsomolsk-sur-l’Amour, tamin’ny 22 Mey 2020. Rehefa tafiditra tao an-trano ry zareo, dia nodarohany mba hianjera amin’ny tany i Nikolay ary nosavan-dry zareo nandritra ny adiny dimy ilay trano. Nentina mba hatao famotorana izy mivady avy eo. Nampirisika an’i Nikolay hiova finoana sy hanaraka fivavahana mahazatra kokoa ny polisy nandritra an’ilay famotorana. Noteren-dry zareo hanampy azy koa i Alesya amin’izay tsy ataon-dry zareo na inona na inona ny vadiny. Na teo aza izany fandrahonana izany, dia nafahana ny harivan’iny ihany izy mivady ka afaka nody tany an-tranony.

Nampahery an’i Nikolay ny nisaintsaina ny fomba maro nanohanan’i Jehovah azy tao anatin’ireny fitsapana ireny. Nanazava izy hoe: “Rehefa misy fitsapana dia takatrao hoe tsy vitanao ny hiatrika irery azy ireny. Lasa hitako bebe kokoa ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataoko sy ny fomba anomezany tari-dalana ahy. Resy lahatra aho fa marina ny tenin’i Paoly hoe: ‘Rehefa malemy mantsy aho, dia amin’izay aho no mahery.’”​—2 Korintianina 12:10.

Mbola mitady hevitra hanampy azy ireo ho be herim-po sy ho tony foana i Nikolay sy Alesya. Nataon-dry zareo pirinty ny Isaia 41:10 dia napetany teo amin’ny friziderany. Hoy i Nikolay: “Mamaky an’ilay andininy aho rehefa mafy be ny zava-mitranga, dia lasa mora kokoa amiko ny miatrika an’ilay izy. Manampy ahy mba tsy hatahotra ny voalazan’io andininy io. Ny tena mampahery ahy dia ilay fanomezan-toky avy amin’i Jehovah hoe eo akaikiko eo foana izy, hoatr’ireny hoe namako be misakambina ahy amin’ny tanany ankavanany ireny.” Matoky isika fa hampahery foana an’ireo tsy mivadika aminy i Jehovah.