Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy Anton Kuzhelkov sy Alyona, vadiny; Ankavanana: Rahalahy Nikolay Prokhorov sy Yelena, vadiny

27 JANOARY 2022
ROSIA

Be Herim-po ny Rahalahy Roa Satria Mahatsapa hoe Ampian’i Jehovah

Be Herim-po ny Rahalahy Roa Satria Mahatsapa hoe Ampian’i Jehovah

Kely sisa dia hamoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Anton Kuzhelkov sy Nikolay Prokhorov ny fitsaram-paritr’i Kirsanov, any Tambov. Mbola tsy fantatra ny sazy angatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina amin’izy ireo.

Zava-nitranga

  1. 21 Desambra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Anton sy Nikolay satria hoe mikarakara zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza

  2. 24 Desambra 2020

    Trano 19 no natao savahao, ary anisan’izany ny tranon’i Anton. Nentin’ireo mpanao famotorana tany amin’ny 350 kilaometatra niala teo i Anton mba halaina am-bavany. Nalaina am-bavany koa i Nikolay ary tsy navela hiala an’ilay faritra misy azy

  3. 25 Desambra 2020

    Tsy navela hody tany an-tranony i Anton fa notanana am-ponja vonjimaika

  4. 30 Aogositra 2021

    Nafindra tany amin’ny fonja hafa i Anton

Ireo voampanga

Matoky isika fa homen’i Jehovah herim-po sy hotohanany foana ireo rahalahy sy anabavintsika enjehina.​—Ohabolana 1:33.

a Tanana am-ponja vonjimaika izao ny Rahalahy Kuzhelkov, dia izay no mbola tsy nahafahana niresaka taminy.