Hijery ny anatiny

Polisy sy mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) manao bemidina ao an-tranon’ny rahalahintsika any Nizhny Novgorod, tamin’ny 2019

15 JOLAY 2020
ROSIA

Be dia Be ny Tranon’ny Rahalahintsika Nanaovan’ny Manam-pahefana Bemidina

Be dia Be ny Tranon’ny Rahalahintsika Nanaovan’ny Manam-pahefana Bemidina

Araka ny filazam-baovao ofisialy iray, dia nanao bemidina tany amin’ny trano 110 ipetrahan’ny mpiara-manompo amintsika any Voronej ny manam-pahefana mitam-basy, tamin’ny 13 Jolay 2020. Io no be indrindra tao anatin’ny iray andro, raha ny bemidina natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hatramin’ilay fandrarana tamin’ny 2017 no ho mankatỳ. Nokapohina sy nalana baraka ny rahalahy roa atao hoe Aleksandr Bokov sy Dmitrii Katyrov, satria tsy nety nilaza ny tenimiafin’ny telefaoniny tamin’ireo polisy.

Ny Fitsaram-paritr’i Leninsky any Voronej no nanome baiko hanaovana an’io bemidina faobe io. Nanao bemidina tany amin’ny tanàn-dehibe sy tanàna kely fito, fara fahakeliny, ny manam-pahefana. Rahalahy maro no nentina tany amin’ny biraon’ny Komity Mpanao Famotorana mba halaina am-bavany.

Ny ampitson’iny, izany hoe ny 14 Jolay 2020, dia namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Leninsky hoe rahalahy folo no tanana am-ponja vonjimaika hatramin’ny 3 Septambra 2020. Ireto avy izy ireo: Aleksei Antiukhin (44 taona), Sergey Bayev (47 taona), Iurii Galka (44 taona), Valeriy Gurskiy (56 taona), Vitalii Nerush (41 taona), Stepan Pankratov (24 taona), Igor Popov (54 taona), Evgenii Sokolov (44 taona), Mikhail Veselov (51 taona), ary Anatoliy Yagupov (51 taona).

Nilaza ilay vaovao ofisialy teo hoe trano 110 no nanaovana bemidina. Fianakaviana Vavolombelona 100 anefa aloha hatreto no nanamarina fa natao savahao ny tranon’izy ireo sy ny fananany. Mety mbola hitombo io isa io. Sarotra ny mifandray amin’ny rahalahy rehetra nanaovana bemidina satria nalain’ny manam-pahefana ny telefaonina sy ny ordinateran’izy ireo.

Tamin’ny 10 Febroary 2020 no nisy fisavana trano betsaka indrindra, talohan’izay. Tranona Vavolombelona 50 tany amin’ny faritra manodidina ny Farihin’i Baïkal, tamin’izay, no nanaovan’ny manam-pahefana bemidina. Trano 1 000 mahery ipetrahan’ireo rahalahy no efa nanaovana bemidina, hatramin’ny nivoahan’ilay didin’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2017.

Tsy gaga isika mahita ny fanenjehana mivaivay mihatra amin’ny rahalahintsika any Rosia sy any an-tany hafa. Efa naminany momba an’izany mantsy ny Baiboly. Mivavaka ho an’ny rahalahintsika foana isika, satria fantatsika fa hanome azy ireo ny fanahy masina i Jehovah, mba hanampy azy ireo tsy hivadika.—1 Petera 4:12-14, 19.