Hijery ny anatiny

Ny Fitsaram-paritr’i Oriol

17 MEY 2019
ROSIA

Dennis Christensen: Amin’ny 23 Mey ny Farany Hihainoan’ny Fitsarana Ambony Azy

Dennis Christensen: Amin’ny 23 Mey ny Farany Hihainoan’ny Fitsarana Ambony Azy

Nitohy tamin’ny alakamisy 16 Mey 2019 ny fitsarana an’i Dennis Christensen. Nilaza ny teniny farany ny mpampanoa lalàna sy ny mpisolovava, ary afaka nilaza ny fiarovan-tenany nandritra ny adiny iray teo ho eo i Dennis. Mbola nanatrika teo koa ny diplaomaty sy mpanao gazety avy any an-tany hafa. Efa roa taona izay no lasa hatramin’ny niresahan’ny vaovao maneran-tany momba ny nisamborana an’i Dennis, nefa mampahery ny mahita hoe mbola tena mahaliana an’izao tontolo izao ny vaovao momba azy.

Saika hoe tamin’ny zoma 17 Mey no faran’ilay fitsarana, raha ny fandaharana tamin’ny voalohany. Nilaza anefa ilay fitsarana hoe hotohizina amin’ny alakamisy 23 Mey, amin’ny 10 ora maraina, ilay izy. Amin’io àry no farany hitenenan’i Dennis eo anatrehan’ilay fitsarana, alohan’ny hamoahan’ny mpitsara ny didim-pitsarany. Tsy fantatra na hamoaka didy amin’io 23 Mey io ny fitsarana, na amin’ny andro hafa.

Mampahery ny mahita hoe tsy kivy mihitsy ry Rahalahy Dennis Christensen sy Sergey Skrynnikov ary ny olon-kafa, fa tena mampiseho izy ireo hoe tsy te hivadika mihitsy. Mitovy amin’izay tsapan’ny apostoly Paoly tamin’ny Tesalonianina no tsapantsika amin’ny mpiara-manompo amintsika any Rosia. Hoy i Paoly: “Reharehanay eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra ianareo, noho ny fiaretanareo sy ny finoanareo, ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana rehetra zakainareo.”—2 Tesalonianina 1:4.