19 APRILY 2022
ROSIA
Dimy Taona tao Anatin’ny Fandrarana Nefa Be Herim-po sy Mivoaka ho Mpandresy
Feno dimy taona amin’ny 20 Aprily 2022 ny nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. a Mihamafy isan-taona ny fanenjehana ataon’ny manam-pahefana rosianina, hatramin’izay nisian’ny fandrarana izay. Ampijalijalina mihitsy aza indraindray ireo rahalahy sy anabavintsika. Asehon’ireo tatitra ato amin’ny jw.org anefa fa mahavita miaritra ireo mpiara-manompo malalantsika ireo, ary tena be herim-po.
Tena modely ny Rahalahy Dennis Christensen, satria efa ho dimy taona izy izao no nigadra. Nampakatra fitsarana izy, nefa resy tamin’ny Mey 2019. Na izany aza, dia tony tsara izy tamin’io sady feno toky. Tonga dia izao no noteneniny tamin’ireo rahalahy sy anabavy nanotrona azy teny amin’ny fitsarana: “Hiezaka hanao izay tsara indrindra vitako aho, sady hanompo an’i Jehovah foana.”
Tapa-kevitra hoatr’izany koa ny Rahalahy Igor Turik. Nisy fotoana izy nihaona tamin’ny Rahalahy Nikolay Kalibaba, izay nenjehina tamin’ny andron’ny Sovietika. Nohazavain’i Nikolay taminy hoe rehefa iharam-pitsapana ny vahoakan’i Jehovah vao tena mahita hoe manampy azy ireo i Jehovah. Hoy i Igor: “Azoko tsara tamin’izay hoe raha ny finoako an’Andriamanitra no mahatonga ahy hijaly, dia voninahitra be izany.” Sazy mihantona fito taona no azon’i Igor, ary mbola miaritra foana izy hatramin’izao.
Izao indray no nolazain’ny Rahalahy Yevgeniy Fedin: “Tsy fotoana hitakiana ny rariny izao. Mbola haverin’i Jehovah amin’ny laoniny eo ihany izany, fa mila miezaka ny tsy hivadika aloha isika. Ny hahazo fitahiana no tanjontsika ... Ireo hevitra ireo no manampy ahy hiaritra fitsapana, na ahoana na ahoana hiafaran’ilay izy. Azontsika hararaotina ny fitsapana tsirairay mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah sy hampisehoana hoe tsy mivadika aminy isika.”
Niteny koa ny Ranabavy Tatyana Zhuk hoe: “Rehefa mieritreritra ny zava-tsarotra efa natrehinay izahay, dia vao mainka tapa-kevitra ny hiaritra foana. Tsapanay hoe manohana anay i Jehovah. Tsy ho vitanay mihitsy ny ho falifaly foana ao anatin’izao zavatra iainanay izao, raha tsy eo ny fanampian’ilay Raintsika any an-danitra.”
Hoy i Yevgeniy, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mivoaka ho mpandresy foana isika! Tanana am-ponja vonjimaika isika, fa mbola mivoaka ho mpandresy ihany. Miakatra fitsarana isika, fa mbola mivoaka ho mpandresy ihany. Ampidirina am-ponja isika, fa mbola mivoaka ho mpandresy ihany.”
Mpahay tantara ny Pr. Emily Baran sady manam-pahaizana momba ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika. Izao no nosoratany tamin’ny 2017, taloha kelin’ny nivoahan’ilay didy hoe voarara ny asantsika: “Raha ny fizotran’ny tantara hatramin’izay no dinihina, dia tsy ho vitan’i Rosia mihitsy ny hanafoana ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Hita tokoa hoe tanteraka amin’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia sy Crimée ity faminaniana ao amin’ny Isaia 54:17 ity: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana [azy ireo].”
a Nilaza ny fanjakana rosianina fa mbola afaka manaraka ny zavatra inoany ihany ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay, na dia foanana aza ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’izy ireo. Tsy mifanaraka amin’izany akory anefa ny zavatra ataon’ny fanjakana.