Hijery ny anatiny

Mpitandro filaminana rosianina mirongo fiadiana sy mitondra marotoa lehibe. Anisan’ireo trano 31 nanaovana bemidina tao Nijni Novgorod, tamin’ny Jolay 2019 io trano io

7 AOGOSITRA 2019
ROSIA

Efa 600 Mahery Izao ny Tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia Nanaovana Bemidina

Efa 600 Mahery Izao ny Tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia Nanaovana Bemidina

Nanao bemidina tany amin’ny trano 613 ipetrahan’ny rahalahy sy anabavy ny polisy rosianina sy ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tato anatin’ny herintaona sy tapany. Efa trano 332 sahady no nanaovan’izy ireo bemidina, nanomboka tamin’ny Janoary 2019. Mihoatra noho ny tamin’ny 2018 izany satria 281 ny fitambaran’ny trano nanaovana an’izany.

Nihabetsaka ny bemidina natao tany an-tranon’ny rahalahy sy anabavy, tato anatin’ny volana vitsivitsy. Tamin’ny volana Jona, ohatra, dia trano 71 no nanaovana an’izany, ary tamin’ny Jolay, trano 68. Niakatra be izany raha oharina amin’ny tamin’ny herintaona, satria 23 teo ho eo isam-bolana izany tamin’ny 2018.

Mpitandro filaminana rosianina manao bemidina ao amin’ny trano iray ao Nijni Novgorod

Matetika ny mpitandro filaminana no mirongo fiadiana sy misaron-tava ary miditra an-keriny ao an-tranon’ny Vavolombelona. Misy fotoana izy ireo manambana basy amin’ny tarehin’ireo Vavolombelona, anisan’izany ny ankizy sy ny be taona. Ataon’izy ireo toy ny mpanao heloka bevava raindahiny ny Vavolombelona. Tsy mahagaga raha manam-pahaizana maro no miombon-kevitra amin’ny Pr. Derek Davis, izay efa talen’ny Fikambanan’i J.M. Dawson, Mandinika ny Fifandraisan’ny Fivavahana sy Fanjakana, ao amin’ny Oniversiten’i Baylor. Hoy izy: “Ny fanenjehana mahery vaika ataon’i Rosia amin’ny fikambanana tia filaminana hoatran’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena ‘mampidi-doza.’”

Mampalahelo fa arakaraka ny itomboan’ny bemidina no itomboan’ny fiampangana ny mpiara-manompo amintsika. Rahalahy sy anabavy 244 izao no ampangaina ho mpanao heloka bevava, any Rosia sy Crimée. Niakatra avo roa henin’ny tamin’ny Desambra 2018 izany, satria mbola 110 ny isan’ny fiampangana tamin’io volana io. Amin’ireo rahalahy sy anabavy 244 ireo, dia 39 no migadra, ny 27 ambenana ao an-tranony, ary 100 mahery no tratran’ny fameperana isan-karazany.

Na dia mbola manenjika ny rahalahy sy anabavintsika aza ny manam-pahefana rosianina, dia ‘tsy voahozongozon’izany fahoriana izany’ isika. Vao mainka aza mampahery antsika ny maheno hoe tsy mivadika izy ireo sady miaritra. Midera sy misaotra an’i Jehovah isika satria mamaly ny vavaka ataontsika rehetra ho azy ireo izy. Matoky koa isika fa mbola hamaly ny vavaka toy izany foana izy.—1 Tesalonianina 3:3, 7.