Hijery ny anatiny

25 MEY 2020
ROSIA

Efa Telo Taona Izao i Dennis Christensen no Migadra any Rosia, Nefa Tsy Mivadika Izy Sady Falifaly Foana

Efa Telo Taona Izao i Dennis Christensen no Migadra any Rosia, Nefa Tsy Mivadika Izy Sady Falifaly Foana

Efa telo taona izao no migadra tsy ara-drariny any Rosia ny Rahalahy Dennis Christensen. Tamin’ny 25 Mey 2017 izy no nosamborina. Rehefa manontany azy ny namany hoe inona no vokatry ny zavatra iaretany eo aminy, dia hoy foana izy: “Vao mainka lasa matanjaka be ny finoako.”

Hoy ny Rahalahy Christensen: “Tena iainako mihitsy ilay zavatra resahina ao amin’ny Jakoba toko voalohany, andininy faharoa sy fahatelo hoe: ‘Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany. Fantatrareo mantsy fa miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra.’”

Mitombo foana ny olana mahazo ny Rahalahy Christensen, ary matetika izy no diso fanantenana. Tena mahagaga anefa fa vao mainka lasa nihanatanjaka ny finoany, sady vao mainka izy lasa falifaly kokoa.

Vao avy nosamborina ny Rahalahy Christensen, dia notanana am-ponja vonjimaika tsy dia lavitra ny tranony, any Oriol. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nahazo alalana hitsidika azy i Irina vadiny. Roa taona mahery kely izy no nigadra tao. Voaheloka higadra enin-taona ny Rahalahy Christensen, tamin’ny Febroary 2019. Nampakatra fitsarana ambony kokoa izy nefa resy ihany, telo volana tatỳ aoriana. Nafindra tany amin’ny fonja iray any amin’ny 200 kilaometatra miala any Oriol izy avy eo, dia vao mainka lasa nifanalavitra be izy sy Irina.

Efa ho herintaona izao ny Rahalahy Christensen no mahafeno fepetra hangataka hoe hafahana alohan’ny fotoana. Efa inefatra izy izay no nangataka, fa nolavin’ny fitsarana ny fangatahana telo voalohany nataony. Diso fanantenana izy, nefa tsy mivadika mihitsy na izany aza.

Nitsotra ny Rahalahy Christensen hoe: “Tsy lavorary izahay sy Irina, nefa lasa hainay izany hoe miaritra sy falifaly foana izany rehefa ao anatin’ny sarotra. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe vao mainka izahay lasa akaiky be an’i Jehovah, ilay Rainay sy Andriamanitray.”

Mivavaka isika sady matoky hoe hanampy ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia foana i Jehovah, dia hahavita hiaritra izy ireo sady ho falifaly foana.—Matio 5:11, 12.