Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk, ao amin’ilay efitra kely ao amin’ny tribonaly, tamin’ny fandinihana natao vao haingana momba ny fotoana tokony hijanonany ao am-ponja

9 AOGOSITRA 2019
ROSIA

Efa ho Herintaona Izao ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk no Natoka-monina

Efa ho Herintaona Izao ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk no Natoka-monina

Poloney i Andrzej Oniszczuk ary mpiara-manompo amintsika. Notanana am-ponja vonjimaika any Rosia izy, nanomboka tamin’ny 9 Oktobra 2018, tamin’izy nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nohalavaina indray ny fitanana azy am-ponja, vao haingana, ary efa fanindiminy izay. Nahemotra amin’ny 2 Oktobra indray ny andro farany hijanonany any am-ponja, izany hoe efa ho herintaona aorian’ny nigadrany.

Andrzej sy Anna vadiny, tamin’izy mbola tsy nosamborina. Tsy navela hitsidika azy i Anna nandritra an’izay folo volana nigadrany izay

Natoka-monina foana i Andrzej nandritra an’izay fotoana nigadrany izay. Tsy mahazo mitsotra izy, manomboka amin’ny 6.00 maraina ka hatramin’ny 9.00 alina. Fahefatr’adiny isan-kerinandro ihany izy no avela mandro amin’ny rano mafana. Tsy navela nitsidika azy mihitsy i Anna vadiny, tao anatin’izay folo volana izay. Taratasy ihany no ifandraisan’izy mivady. Efa imbetsaka i Anna no nangataka hitsidika an’i Andrzej nefa nolavina foana ny fangatahany.

Araka ny efa voalaza teo aloha, dia nosamborina i Andrzej rehefa avy nanao bemidina tao an-tranony sy tany an-tranon’ny Vavolombelona 18 hafa any Kirov ny polisy sy ny polisy manokana misaron-tava. Ampangaina ho mpanao heloka bevava izy satria hoe nanao ny hiran’ilay Fanjakana sy nianatra boky ara-pivavahana.

Nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika niaraka tamin’i Andrzej tamin’ny herintaona ny rahalahy efatra avy ao Kirov (Maksim Khalturin, 44 taona; Vladimir Korobeynikov, 66 taona; Andrey Suvorkov, 26 taona; Evgeniy Suvorkov, 41 taona). Ambenana ao an-trano izy efatra mirahalahy nanomboka tamin’izay. Efa nalefa any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny raharaha mahakasika an’i Andrzej sy izy efatra mirahalahy, fa mbola tsy nivaly.

Niampy fito ny rahalahy avy ao Kirov ampangain’ny manam-pahefana rosianina ho mpanao heloka bevava, tamin’ity taona ity. I Yevgeniy Udintsev, 70 taona, no be taona indrindra amin’izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah 12 ao Kirov izao no ampangaina ho mpanao heloka bevava satria manaraka ny fivavahany.

Enga anie ka hampiharintsika amin’i Andrzej sy Anna ary ny mpiara-manompo amintsika rehetra any Rosia ity fampahatsiahivan’ny Tenin’Andriamanitra ity: “Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja, toy ny hoe miara-mifatotra aminy ianareo. Tsarovy koa ireo ampijalina, satria ianareo koa aza mbola ao amin’ny nofo.”—Hebreo 13:3.