23 APRILY 2024
ROSIA
Faly Manompo An’i Jehovah
Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy any Ijevsk, any Oudmourtie, dia hamoaka didim-pitsarana momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Yevgeniy Stefanidin sy Aleksandr Votyakov. Tsy mbola nilaza ny sazy homena azy ireo ny mpampanoa lalàna.
Ireo voampanga
Hoatran’i Aleksandr sy Yevgeniy, dia raisintsika ho voninahitra lehibe ny hoe ‘manao fanompoana masina’ ho an’i Jehovah “tsy amin-tahotra”, mandritra ny androm-piainantsika.—Lioka 1:74, 75.
Zava-nitranga
14 Aprily 2021
Nosavan’ny mpitandro filaminana ny tranon’i Yevgeniy
13 Desambra 2022
Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Aleksandr sy Yevgeniy
14 Desambra 2022
Samy nosavan’ny polisy ny tranon’izy roa lahy. Notazonin’ny polisy i Aleksandr. Voafetra ny toerana azon’i Yevgeniy aleha
15 Desambra 2022
Nafahana i Aleksandr dia avy eo nambenana tao an-tranony
9 Jona 2023
Tsy ambenana ao an-tranony intsony i Aleksandr, fa voafetra ny toerana azony aleha
17 Aogositra 2023
Nanomboka ny fitsarana azy ireo