Hijery ny anatiny

21 FEBROARY 2019
ROSIA

Fampijaliana Vavolombelon’i Jehovah any Sourgout, any Rosia

Fampijaliana Vavolombelon’i Jehovah any Sourgout, any Rosia

Sivy andro monja taorian’ny nilazan’ny fitsarana iray tany Rosia hoe meloka i Dennis Christensen, dia Vavolombelon’i Jehovah fito, fara fahakeliny, no nampijalin’ny mpanao famotorana rosianina tany Sourgout, any andrefan’i Siberia. Nodorana tamin’ny herinaratra izy ireo, natao sempotra, ary nokapohina. Sady nampijalin’ny manam-pahefana ny rahalahintsika no noterena hilaza ny toerana fivoriany sy ny anaran’ireo Vavolombelona hafa.

Nanaovan’ny manam-pahefana any Sourgout bemidina ny tranon’ny mpiara-manompo, tamin’ny 15 Febroary 2019 vao mangiran-dratsy. Nosamborina ny Vavolombelona sasany avy eo, ary nentina tany amin’ny biraon’ny Komity Mpanao Famotorana. Tsy nety nilaza ny mombamomba ny mpiara-mivavaka aminy anefa izy ireo rehefa nanontaniana. Nampijalin’ny mpanao famotorana ireo rahalahy rehefa lasa ilay mpahay lalàna nanatrika teo. Mitantara izy ireo hoe nohidiana anaty harona plastika ny lohan’izy ireo, nafatotra tao an-damosiny ny tanany, ary nokapohina izy ireo avy eo. Naboridana izy ireo taorian’izay, notondrahana rano, ary nodorana tamin’ny fitaovana mamoaka herinaratra. Naharitra adiny roa teo ho eo izany fampijaliana nahatsiravina izany.

Mbola misy telo, fara fahakeliny, ny Vavolombelon’i Jehovah migadra any. Nentina tany amin’ny dokotera kosa ireo nafahana mba hotsaboina. Nametraka fitarainana any amin’ny tompon’andraikitra mahefa izy ireo.

Taorian’ny savahao nataon’ny manam-pahefana rosianina dia nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah 19 satria nolazaina fa “mandray anjara amin’ny asa mampidi-doza” sady “mandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.”

Melohin’ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia ny fanamparam-pahefana mahatsiravina toy izany. Tokony hankatò ny lalàna iraisam-pirenena miaro ny olona amin’ny fampijaliana koa ny Federasionan’i Rosia. Mbola hiady eny amin’ny fitsarana isika na eo an-toerana izany na iraisam-pirenena, mba hampiharana ny rariny amin’izao heloka bevava natao izao.

Fantatsika hoe mahita ny fampijaliana atao amin’ireo rahalahintsika any Rosia i Jehovah ary ho “mpanampy sy mpanafaka” azy ireo.—Salamo 70:5.