4 JOLAY 2019
ROSIA
Fananan’ny Vavolombelon’i Jehovah Mitentina 57 Tapitrisa Dolara Mahery no Alain’i Rosia Tsikelikely
Noraran’ny Fitsarana Tampony any Rosia ny fikambanana ara-dalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 20 Aprily 2017. Nenjehina sy nogadraina foana ny rahalahy sy anabavintsika, taorian’izay. Trano sy tany 131 an’ny Vavolombelon’i Jehovah koa no nalain’ny manam-pahefana tsikelikely, ary mbola misy 60 atahorana halain’izy ireo. Tombanana ho 57 tapitrisa dolara mahery ny teti-bidin’ireo rehetra ireo.
Anisan’ny nalain’ny fanjakana rosianina ny biraon’ny sampan’i Rosia teo aloha, any Solnetchnoïe, izay fananan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. (Jereo ny sary etsy ambony eo ankavia.) Io fotsiny dia efa mitentina 30 tapitrisa dolara eo ho eo. Misy trano sy tany 43 nalain’izy ireo koa any Rosia nefa misoratra amin’ny fikambanana ara-dalàna any Aotrisy, Danemark, Espaina, Etazonia, Failandy, Holandy, Norvezy, Portogaly, ary Soeda ireo trano sy tany ireo. Tsy ara-dalàna izany nataon’ny fanjakana rosianina izany satria rehefa noraran’ny Fitsarana Tampony ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy midika izany hoe mahazo alalana haka ny fananan’ny vahiny ny fanjakana.
Nandefa fitarainana any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia satria tsy ara-dalàna ny nakana ny biraon’ny sampana teo aloha. Matoky an’i Jehovah foana isika, na inona na inona fanapahan-kevitry ny CEDH. Mivavaka isika mba hanana herim-po foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Manompo an’i Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” foana mantsy izy ireo na dia atao bemidina aza ny tranony, na samborina aza izy ireo, ary na dia alaina aza ny toeram-pivoriany.—Jaona 4:23.