Hijery ny anatiny

Lapan’ny Fitsarana Tampony Rosianina

25 NOVAMBRA 2021
ROSIA

Fanapahan-kevitry ny Mpikambana Rehetra ao Amin’ny Fitsarana Tampony Rosianina. Inona no ho Vokatr’izany Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Fanapahan-kevitry ny Mpikambana Rehetra ao Amin’ny Fitsarana Tampony Rosianina. Inona no ho Vokatr’izany Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nandray fanapahan-kevitra momba ny atao hoe asa “mampidi-doza” ny mpikambana rehetra tao amin’ny Fitsarana Tampony Rosianina, tamin’ny 28 Oktobra 2021. Nilaza ilay didy vaovao fa tsy tokony hoheverina hoe mandray anjara amin’ny asa ataon’ny fikambanana voarara intsony ny olona mivavaka, na olon-tokana izany na olona maromaro miaraka. Na teo aza anefa io didy io, dia mbola nitohy foana ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Hafa mihitsy mantsy ny fomba nandraisan’ny manam-pahefana rosianina an’ilay didy.

Hita amin’izany ohatra ny zava-nitranga taorian’ny nivoahan’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny 28 Oktobra. Nanao bemidina tany amin’ny tranona Vavolombelona 13 fara fahakeliny ny manam-pahefana. Nolavin-dry zareo koa ny fangatahana hampakatra fitsarana nataon’ny Anabavy Irina Lokhvitskaya. Nomelohin’izy ireo koa ny Anabavy be taona atao hoe Yelena Savelyeva, nefa izy efa 80 taona. Nifanohitra tamin’izany anefa no nitranga tamin’ny 22 Novambra 2021, satria hitan’ny fitsarana tany Vladivostok hoe tsy meloka ny Rahalahy Dmitriy Barmakin dia nesorin-dry zareo daholo ny saziny.

Tsy hay hoe hampihena ny fanenjehana ve ilay fanapahan-kevitra sa vao mainka hihamafy ny fanagadrana an’ireo rahalahy. Na inona na inona anefa mitranga, dia mbola hatoky an’i Jehovah foana isika hoe hanampy ny rahalahy sy anabavintsika izy mba hahavitan-dry zareo ho faly foana na dia miaritra aza, mandra-pahatongan’ilay tena famonjena mandrakizay.​—Salamo 146:3-5.