Hijery ny anatiny

25 MARTSA 2020
ROSIA

Fitsarana Ambony Voalohany Nanome Rariny ny Vavolombelona Nomelohina, Nandresy ny Rahalahy Alushkin sy ny Dimy Hafa

Fitsarana Ambony Voalohany Nanome Rariny ny Vavolombelona Nomelohina, Nandresy ny Rahalahy Alushkin sy ny Dimy Hafa

Nanome rariny ho an’ny Rahalahy Vladimir Alushkin, Vladimir Kulyasov, Andrey Magliv, ary Denis Timoshin, sy ny Ranabavy Tatyana Alushkina sy Galiya Olkhova ny Fitsaram-paritr’i Penza, ny 25 Martsa 2020. Haverina hotsaraina izy ireo.

Hafahana avy any am-ponja ny Rahalahy Alushkin ato ho ato, satria nandresy tamin’ilay fitsarana. Mandra-piandry ny famerenam-pitsarana, dia tsy mahazo manao dia lavitra izy ireo ary misy fameperana sasany ampiharina aminy.