Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Anabavy Silaeva sy Shamsheva ary Rahalahy Khokhlov sy Zhinzhikov teny amin’ny fitsarana tamin’ny 28 Oktobra 2020

28 OKTOBRA 2020
ROSIA

Hamafisin’ny Fitsarana Rosianina fa Meloka ny Rahalahy Roa sy Anabavy Roa

Hamafisin’ny Fitsarana Rosianina fa Meloka ny Rahalahy Roa sy Anabavy Roa

Nohamafisin’ny fitsarana any Bryansk, ny 28 Oktobra 2020 fa meloka ny Rahalahy Vladimir sy Eduard sy ny Anabavy Tatyana sy Olga. Herintaona ka hatramin’ny herintaona sy telo volana an-tranomaizina ny sazin’izy ireo tamin’ny voalohany. Efa notanana am-ponja vonjimaika anefa izy ireo ka tsy nila nankany am-ponja intsony. Vokatr’ilay didim-pitsarana androany anefa dia mbola heverina ho mpanao heloka bevava ihany ireo rahalahy sy anabavy ireo. Na izany aza, dia faly izy ireo hoe tsy migadra. Tsy afaka mangataka intsony ny mpampanoa lalàna hoe hampitomboana ny sazin’izy ireo.

Efa notanana am-ponja vonjimaika 316 andro ireo rahalahy ireo, ary 245 andro ny an’ireo anabavy, talohan’ilay fanamelohana voalohany. Nadinadinina tamin’ny Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2020) #5 izy roa vavy rehefa nafahana. Nilaza izy ireo hoe nanampy azy ireo hiaritra sy ho faly foana ny vavaka, ny famakiana Baiboly, ary ny fahaizana mankasitraka.