Hijery ny anatiny

Rahalahy Valeriy Moskalenko ao amin’ilay efitra kely ao amin’ny tribonaly, tamin’ny fitsarana azy faramparany

30 AOGOSITRA 2019
ROSIA

Hamoaka Didim-pitsarana Momba ny Rahalahy Moskalenko ny Fitsarana any Rosia Amin’ny Herinandro

Hamoaka Didim-pitsarana Momba ny Rahalahy Moskalenko ny Fitsarana any Rosia Amin’ny Herinandro

Nilaza i Ivan Belykh, mpitsara ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy any Khabarovsk, fa amin’ny 2 Septambra 2019 no hivoaka ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Valeriy Moskalenko, 52 taona.

Nanao bemidina tao an-tranon’ny Rahalahy Moskalenko ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) sy ny polisy mpandamina mpirotaka, ny marainan’ny 2 Aogositra 2018. Nosamborina sy notanana am-ponja vonjimaika izy tamin’izay, ary mbola any izy hatramin’izao. Nosavana nandritra ny adiny dimy teo ho eo ny tranony talohan’ny nisamborana azy. Efa herintaona mahery izay no notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Moskalenko. Hatahorana àry hoe homelohina sy hogadraina hoatran’i Dennis Christensen izy.

Nalefa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ny raharaha Moskalenko miady amin’i Rosia, tamin’ny 18 Desambra 2018. Efa 50 mahery izay ny fitarainana nalefa any amin’ny CEDH momba an’i Rosia, ary ny 34 amin’ireo no efa lasa any amin’ny fanjakana rosianina.

Reharehantsika ny rahalahy sy anabavy any Rosia ‘noho ny fiaretany sy ny finoany, ao anatin’ny fanenjehana sy ny fahoriana rehetra zakainy.’ Hita mihitsy hoe manohana sy mitahy azy ireo i Jehovah. Mivavaka ho an’ny Rahalahy Moskalenko isika mba hahazo hery hiaretana izy sady ho faly foana, na inona na inona didim-pitsarana hivoaka amin’ny herinandro.—2 Tesalonianina 1:4.