Hijery ny anatiny

Rahalahy Semyon Baybak

25 NOVAMBRA 2020
ROSIA

Hiakatra Fitsarana Ilay Rahalahy Tanora Atao hoe Semyon Baybak Noho ny Finoany

Hiakatra Fitsarana Ilay Rahalahy Tanora Atao hoe Semyon Baybak Noho ny Finoany

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 18 Desambra 2020 a ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don no hamoaka didy momba ny Rahalahy Semyon Baybak. Nangataka ny hanomezana azy sazy mihantona efa-taona ny fampanoavana.

Ilay voampanga

Semyon Baybak

  • Teraka: 1997 (Rostov-on-Don)

  • Mombamomba azy: Manan-joky lahy iray sy zoky vavy iray. Nianatra teny sinoa ary mampianatra teny sinoa. Tia mamaky boky sy manao poezia

  • Mbola kely izy dia efa nampianarin’ny ray aman-dreniny momba an’i Jehovah. Rehefa nihalehibe izy dia lasa te hanaraka ny torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly. Tsy nety nanao miaramila izy satria mifanohitra amin’ny zavatra inoany izany. Nanao fanompoana sivily izy tamin’ny 2015 ka hatramin’ny 2017, ka nanao ny asan’ny mpanadio tao amin’ny hopitalin’ankizy

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny trano 13 an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rostov-on-Don ny polisy miady amin’ny fikambanana mampidi-doza, tamin’ny 22 Mey 2019. Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Semyon, tapa-bolana teo ho eo taorian’izay, izany hoe tamin’ny 6 Jona 2019. Nosamborina izy avy eo, ary notanana am-ponja vonjimaika iray andro. Nasain’ny fitsarana nambenana tao an-tranony nandritra ny valo herinandro izy, nefa nohalavaina impito io fe-potoana io.

Tamin’ny voalohany, dia nampangaina ho mpanao heloka bevava i Semyon satria hoe nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-pivavahana sady niresaka tamin’ny olona momba ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Nampangaina koa izy, tamin’ny Novambra 2019, hoe manome vola hanohanana fikambanana “mampidi-doza.”

Fantatsika hoe hanome an’izay rehetra ilain’ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fiadanana”, mba ‘hanaovan’izy ireo ny sitrapony’ na dia mbola enjehina aza izy ireo.—Hebreo 13:20, 21.

a Mbola mety hiova.