14 OKTOBRA 2021
ROSIA
Hoatran’ny Ahoana ny Fiainan’ireo Vavolombelon’i Jehovah 80 Mahery Nahazo Sazy Mihantona?
Noraran’ny fanjakana rosianina ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny Aprily 2017, ka rahalahy sy anabavy 500 mahery no efa nosamborina sy nampangaina ho mampidi-doza. Ny 40 eo ho eo amin’izy ireo no nogadraina, ary 15 no nampandoavina lamandy. Nisy 80 mahery no voaheloka sy nomena sazy mihantona. Marina fa tsy voatery hiditra am-ponja izy ireo amin’izao, kanefa tsy rariny ireny didim-pitsarana ireny ary tena misy fiantraikany amin’ny fiainan’izy ireo.
Milaza ny Lalàna Momba ny Heloka Bevava any Rosia fa azon’ny mpitsara atao ny manome sazy mihantona ny olona tokony higadra. Misy fe-potoana omeny koa hanaraha-maso an’ilay olona sy hametrahana fameperana samihafa aminy. Raha mandika ny fameperana natao taminy ilay olona dia azon’ny fitsarana gadraina, mifanaraka amin’ilay sazy mihantona nomena azy.
Hoatran’ny ahoana izany mahazo sazy mihantona izany? Ary ahoana no anampian’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy nomena sazy hoatr’izany? Niresadresaka tamin’ireo nahazo sazy mihantona roa taona ka hatramin’ny enin-taona izahay. Ho azontsika tsara izay manjo azy ireo sy ny fomba anampian’i Jehovah azy.
Lasa fantatsika kokoa izao ny fiainan’ireo nahazo sazy mihantona. Vao mainka àry isika hivavaka ho azy ireo sy ny fianakaviany, ary hanao vavaka voafaritra tsara ho azy ireo. Manome antsika porofo fanampiny ireo fitantarana ireo fa mamaly ny vavaka toy izany i Jehovah ary manohana ny mpanompony tsy mivadika ao anatin’ny fisedrana isan-karazany.—2 Korintianina 1:3, 4.