Hijery ny anatiny

Rahalahy Ildar Urazbakhtin

18 OKTOBRA 2022
ROSIA

“Ireharehako Mihitsy ny Mitondra ny Anaran’i Jehovah”

“Ireharehako Mihitsy ny Mitondra ny Anaran’i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kezhemskiy, any amin’ny Faritr’i Krasnoïarsk ny Rahalahy Ildar Urazbakhtin, tamin’ny 10 Oktobra 2022. Nomena sazy mihantona telo taona izy fa tsy migadra.

Zava-nitranga

  1. 20 Jolay 2021

    Nosavana ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah dimy fara fahakeliny, tany Kodinsk, anisan’izany ny an-dry Ildar mianakavy. Notazonina tsy maharitra tany amin’ny toby fitanana izy avy eo

  2. 21 Jolay 2021

    Nafahana dia nambenana an-trano. Tsy navela nampiasa telefaonina sy Internet

  3. 20 Septambra 2021

    Tsy nambenana an-trano intsony fa tsy nahazo nivoaka ny faritra nisy azy

  4. 13 Janoary 2022

    Nampangaina hoe nanao vidéoconférence, dia sady “nampirisika ny rahalahy sy anabavy hianatra lalina ny Baiboly sy hifampahery”

  5. 30 Martsa 2022

    Nanomboka ny fitsarana

Ilay voampanga

Hitantsika tamin’ny tantaran’i Ildar sy ny mpiara-manompo hafa any Rosia fa vonona hanampy antsika i Jehovah “amin’ny fotoan-tsarotra” sady tsy andriny izay hanaovana an’izany.​—Salamo 46:1.