17 FEBROARY 2020
ROSIA
Kapohin’ny Mpiambina Fonja ny Rahalahy Dimy any Orenburg, Rosia
Novelivelezin’ny mpiambina fonja tamin’ny kibay ny rahalahy dimy ao amin’ny fonja iray any Orenburg, Rosia, tamin’ny 6 Febroary 2020. Ireto avy ireo rahalahintsika ireo: Aleksey Budenchuk, Gennadiy German, Roman Gridasov, Feliks Makhammadiyev, ary Aleksey Miretskiy. Nampidirina hopitaly ny Rahalahy Makhammadiyev satria tapaka ny taolan-tehezany, rovitra ny havokavony, ary marary ny voany. Nalefa tany amin’ny efitra fanasaziana kosa ny Rahalahy Budenchuk, German, Gridasov, ary Miretskiy noho ny antony tsy mitombina sy namboamboarina. Nolazaina fa nifoka sigara, ohatra, izy ireo nefa tsy mifoka sigara izany ny Vavolombelon’i Jehovah.
Araka ny voalaza teo aloha, dia nomelohin’i Dmitry Larin, mpitsara ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Leninsky any Saratov, izy dimy mirahalahy ireo, tamin’ny 19 Septambra 2019, niaraka tamin’ny Rahalahy Konstantin Bazhenov. Roa taona ka hatramin’ny telo taona sy tapany ny sazin’izy ireo. Nampakatra fitsarana ambony kokoa tao Saratov izy ireo nefa resy tamin’ny 20 Desambra 2019. Nogadraina àry izy enina mirahalahy ireo, herinandro vitsivitsy taorian’izay. Nalefa tany amin’ny fonja iray any Oulianovsk ny Rahalahy Bazhenov ka tsy anisan’ireo novonovonoina.
Vao tonga tany amin’ilay fonja mihitsy izy dimy mirahalahy, tamin’ny 6 Febroary 2020, dia novonovonoina. Ny ampitson’iny izy ireo vao nojeren’ny dokotera, rehefa hita hoe nanavy be ny Rahalahy Makhammadiyev ary nisy ra ny pipìny. Tsy niantso fiara mpitondra marary ny mpiandraikitra ny fonja raha tsy rehefa avy notereny hanao sonia ny Rahalahy Makhammadiyev hoe “nibolisatra tao amin’ny efitra fandroana” fotsiny izy ary “nianjera.” Nampidirina hopitaly izy ary nodidiana mba hanesorana ny ranoka niangona tao amin’ny havokavony. Hita tamin’ny fitiliana natao koa hoe tsy ampy sakafo izy. Tsy nomen’ny mpiandraikitra ny fonja azy mantsy ny sakafo manokana tokony hohaniny noho ny aretiny.
Malahelo be an’ireo rahalahintsika any Rosia isika satria iharan’ny tsy rariny izy ireo sady ampijalijalina tsy misy antra. Matoky anefa isika hoe hahavita hiaritra sy tsy hivadika izy ireo ary hotohanan’i Jehovah foana.—Filipianina 1:27, 28.