Hijery ny anatiny

Rahalahy Viktor Spirichev

8 JOLAY 2024
ROSIA

“Lasa Hitako Kokoa Izao ny Fitahiany”

“Lasa Hitako Kokoa Izao ny Fitahiany”

Tsy ho ela ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Vyselkovskiy any amin’ny Faritanin’i Krasnodar dia hamoaka didy momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Viktor Spirichev. Mbola tsy nanapa-kevitra ny mpampanoa lalàna hoe inona ny sazy homena azy.

Ilay voampanga

Faly isika satria anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy miavaka rehefa miezaka ‘mitafy fanetren-tena’ foana.​—1 Petera 5:5.

Zava-nitranga

  1. 13 Febroary 2022

    Nanao savahao tranona Vavolombelon’i Jehovah tany Vysselki sy tany Berezanskaïa ny manam-pahefana. Trano 25 fara fahakeliny no nosavana, anisan’izany ny an’i Viktor sy Larisa

  2. 23 Mey 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava satria nandray anjara tamin’ny asa nataon’ny fikambanana mampidi-doza, hono. Tsy avela maka ny volany any amin’ny banky

  3. 11 Jolay 2023

    Nofotopotoran’ny manam-pahefana

  4. 22 Jolay 2023

    Natao famotorana fanindroany. Noferana ny toerana azony aleha

  5. 30 Janoary 2024

    Nanomboka ny fitsarana azy